Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny renivohitr’i Betsimisaraka sy ny manodidina, tato anatin’ny volana vitsy, taorian’ny rivondoza Gezani. Anisan’ izany, ny fanafihana mitam-piadiana sy ny fandrobana ary ny asa fanendahana. Trano fandraisam- bahiny iray ao Ambolomadinika, parisela 21/32, indray no norobain’ny jiolahy miisa 10 ny alin’ ny alahady hifoha alatsinainy […]
Tranga
66 taonan’ny fahaleovantena : Nosokafana tamin’ny fananganan-tsaina
Nosokafana omaly, tetsy amin’ny Parvis Analakely, ny fankalazana ny faha-66 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy. Natomboka tamin’ny fananganan-tsaina, teo anatrehan’ny manam-pahefana ambony, sivily sy miaramila, mpanolotsaina ambony eo anivon’ ny governemanta, ny Praiminisitra ary ny solontenan’ny antokom-pivavahana izany. Nitohy tamin’ny kabary isan-karazany avy eo. Nampiavaka ny hetsika […]
Ankorondrano : Mpanao taxi-moto nokendain’ny jiolahy
Mpanao taxi-moto iray indray lasibatra tetsy Ankorondrano ka tratra ireo nahavanon-doza, ny 30 mey teo. Nokendain’ny jiolahy roa tamin’ny alalan’ny kibay, ny mpanao taxi-moto iray teny Ankorondrano, ny sabotsy 30 mey teo. Niala teo Analakely io Taxi-moto io ary nitondra olona hihazo an’ Ankorondrano. Roa lahy no nentin’ilay mpanao taxi-moto […]
Olona valo voasambotra: Zaza varira hita faty tapa-doha nalevina
Mirongatra ny trangana fakana an-keriny sy famonoana varira eto amin’ny Nosy. Efatra andro taorian’ny nakan’ireo olon-dratsy, an-keriny ilay zazavavy manana toe-tena varira, vao herintaona sy enim-bolana monja tany amin’ny fokontany Ankalika, kaominina an-drenivohitra Toliara I, ny alakamisy maraina teo. Hita afakomaly tolakandro, tany amin’ny fokontany Antsianaka, kaominina ambanivohitra Betsinjaka, distrikan’i […]
Kariera nihotsaka : Olona efatra maty
Nihotsaka ny tany tao amin’ny karieram-bato quartz, tany amin’ny fokontany Soakibany kaominina Ambahitahy, distrikan’i Bekily, faritra Androy, ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora. Mpitrandraka vato maherin’ny 10 no tototry ny tany tao anatin’izany. Tavela tany ambanin’ny tany efa maherin’ny 10 metatra izy ireo, raha ny fanazavana voaray. […]





