Tranga

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka : Tratra ireo telo lahy mpamaky fasana

Fasana lehibe fito sy fasana 12 hafa nasesin’ny olon-dratsy telo lahy novakiana tao amin’ny fokontany Manom­pana, kaominina Soanierana Ivongo, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 31 janoary teo. Nahare feon’alika nivovo tsy toy ny nahazatra ny raim-pianakaviana nonina tsy lavitry ny toerana nisy ny fasana tamin’ny 10 ora alina mahery. […]

Antanimena : Mpitondra moto maty tsy tra-drano

Nidona tamin’ny andrin-jiro, namoy ny ainy ny lehilahy iray nitondra moto marika Yamaha Cygnus I teo Antanimena, omaly alina tamin’ny 9 ora alina. Avy any amin’ny rond-point, nikasa hidina ny lalana mampitohy an’Ankorondrano io mpitondra moto io. “Nandeha mafy izy ka tsy nahafehy ny familiana intsony”, hoy ny fintataran’ireo nanatri-maso. […]

Ambodin’Isotry : Jiolahy voatifitra, saika hamono polisy

Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy iray saika hamira polisy tamin’ny zava-maranitra. Tetsy Ambodin’Isotry no nisehoan’izany, afakomaly alina. Lavon’ny balan’ny polisy avy ao amin’ny CSP 4, ny jiolahy iray nanafika Cash point tetsy amin’ny tetezan’i Bekiraro Ambodin’Isotry, afakomaly hariva. Tratra nandritra ny fisafoana nataon’ireto mpitandro filaminana teny amin’ny faritra EPP […]

Ambohidahy Ankadindramamy : Fanafihan-jiolahy ravan’ny tompon-trano

Telo lahy nikasa hanafika tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Am­bohidahy Ankadin­dramamy, Antananarivo V, ny alin’ny 30 janoary teo, tamin’ny 8 ora alina. Nikasa hiditra antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray, ren’ny tompon-trano ny fisian’ireo olon-dratsy. Nitsoka kiririoka avy hatrany ny lasibatra vantany nahatazana ireo mpandroba. Nikoropaka, tsy nahavanona ny […]

Ady tany ao Nosy Be : Mpitsara sy mpisolovava voasaringotra

Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny teratany vahiny voalaza ho tompon’ny tany misy fotodrafitrasa maromaro ao Nosy Be Hell-ville sy ny tambajotra voalaza ho mpisoloky nikasa hangalatra tany. Miara-miasa amin’ny mpitsara iray ao an-toerana sy naka mpisolovava tao ihany, namorona taratasy nahafahany mandray ny fitantanana ny orinasa rehetra anatin’io tany voalaza […]