Zandary am-perinasa iray namoy ny ainy rehefa latsaka tany anaty hantsana niaraka tamin’ny dahalo vao avy nosamborina. Tao amin’ny kaominina Fenoarivo, Ambatofinandrahana, no nisehoan’izany omaly maraina. Nisolifatra, latsaka tany anaty hantsana, notatazan’ny vato. Maty tsy tra-drano izy sy ny dahalo iray izay nifatotra niaraka taminy. Tsy afa-nisaraka izy ireo. Amin’ny […]
Tranga
Fitokonana an-dalambe : “Hitohy ny fitakiana”, hoy ny Gen Z “Voakarama ireo”, hoy ny Filoha
Nanomboka omaly ny fidinana an-dalambe ataon’ny Gen Z. Nilamina ny dia avy eny Ambohijatovo nihazo an’Analakely. Nambaran’ny Kly Randrianirina Michaël fa olona voakarama ireto manakorontana. Niverina nidina an-dalambe ny tanora Gen Z, omaly. Nifamotoana teny Ambohijatovo izy ireo. Vao maraina, efa nisy ny fitangoronana sy ny fametahana sorabaventy. Mitaky ny […]
Nihinana trondro holikoliky: Raim-pianakaviana roa tsy nahatsiaro tena
Niharan’ny fahapoizinana ara-tsakafo, raim-pianakaviana roa niaraka tsy nahatsiaro tena ka voatery naiditra hopitaly tao Betania, kaominina Morondava, omaly. Fianakaviana roa avy ao an-toerana niaraka nihinana karazana trondro atao hoe holikoliky, ny alarobia 8 avrily lasa teo. Mpanarato no nahazo ireo trondro ireo. Nampiarahana tamin’ny makamba io sakafo io. Tsy nisy […]
Ambaniala Itaosy: Vehivavy mangana hita faty
Vehivavy 33 taona nakarin’ny fokonolona tao anatin’ny rano teny amin’ny fokontany Ambaniala, kaominina Itaosy, ny alarobia 8 avrily teo, tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro. Nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa tao anatin’ny rano izay tsy lavitry ny lalam-bahoaka ny olona teny amin’ny manodidina. Vehivavy nanao akanjo miloko volondavenona sy pataloa volontany io […]
Lietna Kolonely Fils Emilio : ” Tsy miaro olon-dratsy ny zandarimaria”
Voalaza fa maty voadaroky ny zandary nandritra ny famotorana azy ny lehilahy iray, omaly. Nampiaka-peo ny fianakaviany, monina ao Marofinaritra. Nilaza ny avy amin’ny zandarimaria fa tsy miaro izay mihoa-pefy sy tsy manara-dalàna izy ireo. Hanokatra fanadihadiana lalina momba ny tranga nahafaty olona tao amin’ny tanànan’i Marofinaritra, distrikan’Antalaha, ny kaomandin’ny […]




