Nivadibadika ambony ambany ny fiara Volkswagen iray tetsy amin’ny Rocade Iarivo, Amoronankona, omaly maraina. Mpandeha roa tao anatiny maty tsy tra-drano. Enina hafa naratra mafy. Nandeha mafy ny mpamily ka tsy nahatana ny familiana rehefa tojo fiolahana ka nahatonga ny loza. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny Rocade Iarivo, […]
Tranga
“Port secteur III” Antsarakofafa : Hirosoana ny fanesorana ireo mibodo tany
Nidina ifotony nifampiresaka tamin’ny fokonolona voalaza fa mibodo ny tanin’ny Spat ao Toamasina, ao amin’ny “Port sec III” Antsarakofafa, ny OMC ( Organisation mixte de conception) izay nifandrombonan’ny Tafika sy ny polisy ary ny zandary, ny talata 27 mey 2026 teo. Tany voatokana hanaovana tetikasam-panjakana hiantsonan’ny fiarabe mpitatitra entana, manodidina […]
Tsy nohenoin’ny reniny : Tovolahy iray maty namono tena
Tovolahy iray 22 taona hita faty tao an-trano fonenany, tetsy amin’ny fokontany Nanisana, omaly maraina. Tsikaritry ny reniny sy ny fianakaviany fa nihidy aman-trano tao ity tovolahy ity. Tsy mbola nivoha ny varavarana na dia efa maraina aza ny andro. Nanapa-kevitra ny hamoha sy hanapitsoka ny varavarankelin’ilay trano ny havany. […]
Tsena Petite Vitesse : Nandoro kodiarana, nitokona ireo mpivarotra
Niditra an-tsehatra nandrava ny fitokonan’ireo mpivarotra amoron-dalana eny amin’ny Petite Vitesse ny mpitandro filaminana sy ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina, tetsy Soarano, omaly. Naparitaka tamin’ny alalan’ny rano ireo mpivarotra nitokona teny Soarano, boriborintany voalohany, omaly. Naneho ny tsy fankasitrahany manoloana ny famindrana toerana azy ireo, nilanja sorabaventy, nitsoka kiririoka sady […]
Nikomy hanao fanafihana: Jiolahy efatra lavon’ ny polisy
Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Morarano, kaominina Toamasina, omaly maraina tamin’ny 4 ora. Naharay loharanom-baovao marim-pototra, nandritra ny fisafoana nataony, ny polisim-pirenena fa misy andian-jiolahy mikononkonona hanafika. Niatrana avy hatrany tamin’ny toerana voatondro, nifanehatra tamin’ireo tsy valahara, ny mpitandro filaminana. Namoaka fitaovam-piadiana anefa ireo jiolahy efatra ary nanohitra ny […]





