Tranga

Halatra solika amin’ny RN2 : Olona valo lahy saron’ny zandary

Mpangalatra sy mpanampoka solika teny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Mpamily sy mpanampy azy miisa valo voasambotry ny zandary. Saron’ny zandary teny Ankarefo, kaominina ambanivohitra Ambodi­ni­­fody, disitrikan’i Moramanga, omaly, ireo fiarabe fito mpangalatra sy mpanampoka solika. Voasambotra tamin’izany ireo mpamily sy ny mpanampy miisa valo. Efa eo am-pelantanan’ny zandary izy ireo amin’ […]

Fanolan-jazalahy 4 taona: Mitaky ny hampiharana ny sazy ny fianakaviany

Mitaky ny hampiharana ny sazy ho an’ireo roa lahy izay efa notanana eny Tsiafahy sy ilay eny amin’ny fonjan’ny zaza maditra eny Anosiala, ny fianakavian’ilay zazalahy 4 taona voaolana. Nihemotra hatrany ny fitsarana ny raharaha nahavoasaringotra ireo roa lahy tamin’ny fanolanana teny Ambohimangakely, ny 16 desambra lasa teo. Zazalahy 4 […]

Niara-nifety : Olona dimy maty nilatsahan’ny varatra

Tokantrano iray tany amin’ny fokontany Vinanitelo Centre, kaominina ambanivohitra Vinanitelo, distrikan’i Vohibato no nilatsahan’ny varatra, afakomaly tokony ho tamin’ny 7 ora sasany alina. Olona dimy maty vokatr’izany, roa hafa manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly any an-toerana, raha ny tatitra voaray avy amin’ny Compagnie de Brigade avy any Alakamisy Itenina. Nisy […]

Fanondranana olona antsokosoko : Enina mianadahy nalefa eny Antanimora

Enina mianadahy niray tsikombakomba manondrana Malagasy miasa any amin’ny tany arabo tra-tehaky ny polisy. Nalefa eny Antanimora tao­rian’ny fampanoavana ireo voasaringotra, ny 21 janoary teo. Nihaodihaody teny Anosy tao amin’ny toerana fanao­vana pasipaoro, olona am-polony nampiahiahy ny mpitandro filaminana. Nanaovana fanadihadiana lalina ny momba ny tany handehanan’izy ireo. Nandrisika azy […]