Tranga

Telo mianaka nolerana antsy: Voasambotra ilay nahavanon-doza

Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ilay raim-pianakaviana nanindrona antsy ny renin-janany sy ny zanany vavikely miisa roa, tao amin’ny fokontany Tsararano ambany, kaominina Maha­janga. Nisaraka nandritra ny efa-bolana izy mivady ka nifindra nonina tany amin’ny rahavaviny ilay renim-pianakaviana sy ny zanany, hoy ny loharanom-baovao. Tonga tampoka tao amin’io trano nisy […]

Fitakiana fisotroan-dronono : Miantso fifampiresa­hana ny minisitera

Valin-kafatra. Nitondra fanazavana manoloana ny fitakiana ny fisotroan-dronono sy fanomezana fe-potoana 48 ora ny fitondram-panjakana ny minisiteran’ny Foloalindahy, omaly, tao Antsirabe. Nitondra fanazavana sy niantso fifanatonana ny minisitra, ny Jly Razafitombo Maminirina. « Tsy ao anatin’ny kitapombolam-panjakana izany ary tsy zon’izy ireo », hoy izy. Notsiahiviny fa nanome tambiny ny mpiasam-panjakana ny […]

Cash point voatafika : 8 tapitrisa Ar voaroba, jiolahy roa voasambotra

Niharana fanafihana mitam-piadiana ny lehilahy iray mitazona Cash point tetsy Andraharo, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 8 ora. Hiditra hiasa maraina toy ny mahazatra izy no nisy lehilahy miisa dimy, nirongo fitaovam-piadiana nanambana azy tamin’ny basy sy antsy. Nosintomin’izy ireo, tamin’izany, ny kitapo iray feno vola mitentina 8 tapitrisa Ariary, […]