Notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray tratra nanodinkodin-jaza tsy ampy taona tao amin’ny kaominina Ambositra, ny 1 avrily lasa teo. Naharay fitarainana avy amin’ny ray aman-drenin’ny ankizivavy iray mbola mpianatra eny amin’ny Lycée ao an-toerana, ny polisim-pirenena. Notazomin’io lehilahy io antsokosoko tany aminy io ankizivavy izay mbola mpianatra io. […]
Tranga
Betongolo : Lehilahy tratra nangalatra bisikileta
Lehilahy iray nangalatra bisikileta tetsy Betongolo voasambotry ny polisim-pirenena, omaly maraina tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany tany ho any. Nikasa hangalatra moto iray nipetraka teo akaikin’ny EPP Betongolo ity farany. Nahatsikaritra ny fihetsiny hafahafa ny mponina ka nampandre ny polisy avy amin’ny Kaomisarian’ny Boriborintany fahatelo (CSP3) avy hatrany. […]
Kamiao mpitatitr’entana nivadika : Mpanampy mpamily tapaka ny tapany ambany
Nifampisokirana tao anatin’ny kamiao mpitondra entana nivadika, ny lehilahy iray, omaly, teny Manjakandriana. Tery nandritra ny dona ny mpanampy mpamily ka tapaka tanteraka ny tapany ambany. Samy naratra avokoa moa izy sy ny mpamily. Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, omaly, tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Nitranga teo […]
Fikasana hifofo ny ain’ny PRRM : Olona 11 naiditra vonjimaika am-ponja
Niakatra fampanoavana teny anivon’ny, Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, ny 31 marsa teo, ny raharaha mahakasika ny fikasana hifofo ny ain’ny filohan’ny Fanavaozana, Randrianirina Michaël. Miampy fanonganam-panjakana ny vesatra hanenjehina ireo olona 13 voasaringotra tamin’izany, raha ny fanazavana nataon’ny Tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo, Rakotoniaina Narindra Navalona, […]
Fetin’ny Paka: Polisy 7 261 hisahana ny fandriampahalemana
Hiatrehan’ny vahoaka malagasy ny fetin’ny Paka am-pilaminana, polisim-pirenena miisa 7 261 no hahetsika manerana ny Nosy, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny Controleur général de Police Tsaramonina Ravony Jean Victor, omaly. Hisorohana ireo izay mety ho tranga tsy fandriampahalemana, hisy ireo mpitandro filaminana apetraka amin’ny toerana vory olona, toy ny […]




