Tranga

Fifindra-monina antsokosoko : Olona 33 mianadahy saika ho any Mayotte

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao Antsiranana ny Malagasy 27 sy vahiny miisa enina saika hiondrana antsokosoko ho any Mayotte. Tazomina ao amin’ny biraon’ny zandary izy ireo hatramin’izao. Olona miisa 33 mianadahy saika hiondrana antsokosoko any Mayotte nosamborin’ny zandarimaria miasa eo anivon’ny vondron-tobim-pileovana Antsiranana, ny 30 marsa lasa teo. Nitoby tamin’ny […]

Fanamboarana basy: Lehilahy roa naiditra am-ponja

Naiditra vonjimaika am-ponja, ny 31 marsa 2026 lasa teo, ireo lehilahy miisa roa, taorian’ny fampiakaran’ny fampanoavana ny raharaha teny anivon’ny fitsarana. Tompon’an­toka tamin’ny fihazonana sy fanamboarana basy vita gasy izay tsy ara-dalàna tany Atsi­montsena, Tsiroanomandidy, izy ireo. Raha tsiahivina, nahatrarana fitaovam-piadiana (ba­sy) mahery vaika maro karazana tao amin’ny tokantranon’olona iray […]

Ambatofinandrahana : Olona 89 tratran’ny fahapoizinana

Notazomina ao amin’ny hopitaly, manaraka fitsaboana, ny 15 tamin’ireo olona 89 tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo tao Ambatofinandrahana, omaly. Nihinana sakafo masaka tao amin’ny fiangonana iray ao an-toerana ireo olona ireo, ny alahady 29 marsa lasa teo. Taorian’io, nanomboka nirohotra nihazo ny toeram-pitsaboana ireo olona voalaza fa nihinana « composé ». Noraisin’ny mpitsabo an-tanana […]

Nifamonjena saingy tsy avotra: Zazavavy 2 taona latsaka tanaty rano namoy ny ainy

Nifamonjena tao anatin’ny dobo fanondrahana voly, namoy ny ainy, ny zazavavy iray vao 2 taona sy 3 volana monja, tao Ankazobe, ny talata 31 marsa teo. Vatana mangatsiakan’ilay zazavavy vao 2 taona monja hany sisa azon’ny fianakaviany tao anatin’ny dobo iray, tao amin’ny fokontany Antsampanimahazo, kao­minina Miantso, distrikan’Ankazobe, afakomaly. Nen­tin’ny […]