Tranga

Mamo mitondra moto sy fiara : Tafakatra 40 mahery ireo namoy ny ainy

Mampirongatra ny lozam-pifamoivoizana ny hamamoana. Mahatratra 40 mahery ireo maty teto Analamanga, tao anatin’ny dimy volana. Hidina ifotony, hanamafy ny fisorohana izany, ny polisy. Tafakatra 40 mahery ireo olona namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teto amin’ny Fa­ritra Analamanga, nanomboka ny volana janoary 2026 hatramin’ity volana mey ity, raha ny […]

Kaominina Marondry : Ben’ny Tanàna lefitra hita faty

Hita faty tao anaty rano ny lehilahy iray lefitry ny ben’ny Tanàna, tao amin’ny kaominina Marondry, distrikan’Ankazo­be, afakomaly. Niala ny trano fonenany io lehilahy io, ny alahady 18 mey tolakandro. Tsy niverina an-trano intsony izy taorian’izay. Nampiahiahy ny fianakaviany ny fanjavonan’io havan’izy ireo io tampoka. Nanao fikarohana izy ireo saingy […]

Fivadiham-pitokisana : Vadina mpanakanto iray nisoloky 30 tapitrisa Ar

Niakatra teny anivon’ny fitsarana, afakomaly, ny raharaha fivadiham-pitokisana nataona vadina mpanakanto malaza iray ka nisolokiany 30 tapitrisa Ar. Renim-pianakaviana iray, 70 taona, no voasolokiny tamina fividianana tany mirefy 1 100m² tetsy By-Pass, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mpisolovava ilay niharan’ny fisolokiana. Nambarany fa nosoratany tao anatin’ny taratasy fifampivarotana teo amin’ny […]

Naratra mafy ny tompon-trano : 60 000 Ar nangalarina, nampiasana basy PA

Notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana ny fianakaviana iray, teny Manandriana Avaradrano, afakomaly alina. Voaroba ny vola 60 000 Ar, solosaina finday. Nanohitra tamin’ny vely vy tao anaty haizina ny tompon-trano, kinanjo izy mianakavy no nifandratra. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray teny Manandriana Ava­radrano. Lasibatra ny tokantrano iray, ny alin’ny alatsinainy nifoha talata. Niditra […]

Andoharanofotsy : Lehilay iray maty nianjera tamin’ny moto

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andoharanofotsy, omaly alina, tamin’ny 12 ora sy sasany tany ho any. Niseho teo amin’ny fokontany Maha­lavolona, kaominina ambanivohitra Andoharano­fotsy, distrikan’ Antananarivo Atsi­mon­­drano ny loza. Lehilahy iray 25 taona, nitondra moto avy any amin’ny lalam-pirenena fahafito iny no niharan-doza. Nandeha mafy izy ary nianjera rehefa […]