Tranga

Nandoa 70 tapitrisa Ar : navotsotr’ireo mpaka an-keriny ilay Vehivavy

Navotsitr’ireo mpaka an-keriny tao Andranonampanga, kaominina ambanivohitr’Ambakireny, distrikan’i Tsaratanàna ny vehivavy iray 61 taona nalain’ny dahalo an-keriny rehefa avy nandoa vola 70 tapitrisa Ar ny fianakaviany. Ny 23 septambra 2024 alina, nalain’ny dahalo an-keriny tao amin’ny fokontany Morarano Chrome Amparafaravola ity renim-pianakaviana ity. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny zandary ka […]

Fanaparitahana fitaovam-piadiana : mpivarotra bala naiditra eny Antanimora

Manaparitaka fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, lehilahy iray niakatra fampanoavana tetsy Anosy, omaly. Nota­nana am-ponja, miandry ny fotoam-pitsarana izy. Nivarotra bala tena izy, naiditra am-ponja von­jimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny lehilahy iray, omaly. Manana toeram-pivarotana manokana izy teo Antanimena. Sarontsaromany amin’ny famarotana « airsoft » na ireny fitaovam-piadiana plastika maka tahaka amin’ny tena izy […]

Alakamisy-Anosiala : nandoa ra, lehilahy hita faty tao an-tranony

Namoy ny ainy irery tao an-tranony, lehilahy iray hita faty tao amin’ny fokontany Anja­namasina, kaominina Anosiala, distrikan’Am­bohi­dra­trimo, omaly. Nitaraina ho marary vavony tamin’ny reniny io lehilahy io ny harivan’ny alatsinainy 30 septambra. Nandoa ra anefa izy tamin’io fotoana io. Nandroso alina ny andro ka samy natory kinanjo tsy nisy aina […]

namono ramatoa 66 taona : Atidoha nikotrika ilay mpiandry omby

Niakatra fampanoavana ny alatsinainy teo ny raharaha momba ny fanolanana niharo vono olona tao amin’ny fokontany Ambohitsinindriana, kaominina Ambohitrambo, distrikan’Arivonimamo. Vokatry ny angom-baovao nataon’ny mpitandro filaminana nanao famotorana, ilay mpiandry omby no tompon’antoka tamin’io vono olona io. Nampiditra ny jiolahy tao an-tranon’ilay ramatoa 66 taona, izay mpampiasa azy. Nanamparan’ireo tsy […]

Trano 14 lasa lavenona : ady mivady niafara tamin’ ny fahamaizana tanàna

Nikasa hanondraka menaka mangotraka am-badiny ilay ramatoa kinanjo nandoro ny moto tao an-trano izany. Nirehitra avokoa ny tanàna manodidina. Nitrangana haintrano indray tao Mangarano Toamasina, parisela 11/46 carreaux faharoa, ny alatsinainy alina teo. Araka ny tatitra nampitain’ny lehiben’ny Sampana mpamonjy voina ao Toamasina, ny Kly Charles Désiré, niainga avy tamina […]