Tranga

Ben’ny Tanànan’i Tsarasaotra-Ambositra: Arahi-maso ara-pitsarana, taorian’ny savorovoro

Niakatra fampanoavana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Ambositra, arahi-maso ara-pitsarana ny ben’ny Tanàna ao Tsarasaotra, taorian’ny savorovoro nataon’ireo mpomba azy, omaly. Niditra an-tsehatra nandamina ny savorovoro nataon’ny fokonolona tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambositra ireo mpitandro filaminana taorian’ny didy nivoaka fa hampidirina vonjimaika am-ponja ny ben’ny Tanàna an’i Tsara­saotra, […]

Ramatoa voarasa antsy teo amin’ny tendany : Olona telo naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny Fitsarana, ny zoma lasa teo, ny raharaha momba ny renim-pianakaviana iray voarasa antsy tany Ma­havoky Avaratra, kaominina Mahajanga. Olona miisa telo no voasambotry ny polisim-pirenena ary naiditra vonjimaika am-ponja, taorian’izay. Ani­san’izany ny zana-drahavavin’ilay niharam-boina, izay tompon’antoka tamin’io vono olona io. Novonoina tamin’ny antsy sy vakina tavoahangy […]

Anjanahary : Lohan-jaza hita tao anaty gony

Nahitana fatin-jazakely indray tetsy Anjanahary, omaly maraina. Olona handeha maraina no nahatsikaritra zavatra efa notarihin’ny alika teny amin’ny manodidina. Rehefa nojerena, lohan-jaza iray sy ny tanany ilany, niaraka tamin’ny gony, no hitan’ny fokonolona. Heverina ho efa lanin’ny alika ny tapany ambanin’io zaza io, raha ny fanazavana voaray. Nataon’ny tsy mataho-tody […]

Nieren-doza ny iray tamin’ireo kambana: Telo mianaka niara-matin’ny lozam-pifamoivoizana

Nifandona teny amin’ny Digue mihazo an’Ambohitrimanjaka ny kamiao sy fiara 4*4 iray, tamin’ny sabotsy. Maty teny amin’ny hopitaly ny telo mianaka. Nivoaka ny hopitaly, nieren-doza kosa ny zaza iray telo taona. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny Digue Ambohitrimanjaka, ny sa­botsy lasa teo, tokony ho ta­min’ny 5 ora hariva. Olona […]