Tranga

Nandroba manamboninahitra : Efa-dahy naiditra am-ponja eny Antanimora

Niakatra fampanoavana, naiditra am-ponja avokoa ireo efa-dahy tratra namaky tranona manamboninahitra misotro ronono iray tao amin’ny fokontany Tanjondava, kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohi­dratrimo, ny 26 marsa teo. Nivoaka maraina ny trano fonenany, tamin’ny 4 ora, handeha hamonjy toeram-pitsaboana ny tompon-trano ny alarobia 25 marsa teo. Na­nararaotra ireo jiolahy ka nampiasa fitaovana mandeha […]

Miankindoha tamin’ny rôrô: Lehilahy nifamonjena tao am-ponja

Nifamonjena tao amin’ny fonjakely nihazonana azy, omaly, ny lehilahy iray voasambotry ny polisy. Nihetsika tampoka ny filan’ny vatany izay efa zatra niankindoha tamin’ny zava-mahadomelina mahery vaika “heroïne” fantatry ny besinimaro hoe “rôrô”. Nampananosarotra ho an’ny mpitandro filaminana izay mbola misahana ny famotorana azy ny fihetsik’io lehilahy io. Raha atsidika, voasambotry […]

Fanafihana Cash point : Jiolahy iray lavo, polisy iray naratra

Nitrangana fanafihana mi­tam-piadiana indray tany Antse­­nakisoa Tsiroanoman­didy, ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma. Jiolahy miisa telo, mirongo fitaovam-piadiana toy ny basy Fusil à pompe sy baraminina ary antsy, na­nafika tokantrano mpanao Cash point iray tany an-toerana. Nahatsi­ka­ritra olona nampiahiahy nikasa hiditra tao an-trano ny tompon-tsena ka nampandre ny polisim-pirenena avy […]

Fanolanana zaza : Teratany vahiny sy malagasy voasazy

Zazavavikely tsy ampy taona iray lasibatry ny fanolanana sy fanararaotana mamoafady teto Madagasikara. Napari­tak’ireo olon-dratsy tamin’ny tambajotran-tserasera ny horonantsary mampiseho fanararaotana ara-nofo ana habaka natao taminy. Nahita izany ny mpanao fanadihadiana amerikanina ka nanokatra fanadihadiana. Niarahan’izy ireo niasa tamin’ny sampandraharaha misahana ny fiarovana amin’ny ambasady amerikanina eto an-toerana sy ny […]