Tranga

Kariera ao Ambohimalaza : Lehilahy maty nipoahan’ny vanja

Namoy ny ainy ny lehilahy iray nandritra ny fipoahan’ny vanja tao amin’ny toeram-pitrandrahana vato ao amin’ny fokontany Ambohidray Atsimo, kaominina Ambohimalaza, ny harivan’ny alatsinainy 30 marsa teo. Hamaky vato lehibe no tanjon’ireo mpitrandraka ireo. Talohan’ny tena fanapoahana ilay vatobe, nanao andrana manokana izy ireo ka anisany io lehilahy io. Nampiasa […]

Kamiao nivadika teny Manjakandriana: Mpianaka niara-maty nianjeran’ny kaontenera

Nianjeran’ny kaontenera teny ambony kamiao ny fiara kely iray, omaly. Maty tsy tra-drano, voatsindry tao anaty korotam-by, ny renim-pianakaviana sy ny zanany. Avotra soa aman-tsara ny lehilahy iray. Maty tao anatin’ny indray mipi-maso ny renim-pianakaviana sy ny zanany, omaly. Potsitra sy potika nianjeran’ny kaontenera niraikitra tamin’ny kamiao nivadika ny fiara […]

Nangalatra zaza menavava : Naiditra am-ponja ilay vehivavy tompon’antoka

Niakatra fampanoavana omaly, ny raharaha hala-jaza tany Antanambao, fokontany Ankaraobato Amborovy, Ma­hajanga, ny herinandro teo. Naiditra vonjimaika am-ponja, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ilay vehivavy tompon’antoka, taorian’izay. Tsia­hivina fa nangalatra zaza menavava vao enina andro monja, tany Ankaraobato Am­borovy, ny marain’ny zoma 27 marsa lasa teo ity farany. Nokasainy hoentina tany […]

Nitondra antsy sy sabatra : Jiolahy roa mpanafika tratry ny polisy

Lehilahy roa voasambotry ny polisim-pirenena tao Tanambao Verrerie, Toamasina, ny alin’ny alahady 29 marsa 2026, tamin’ny 11 ora sy sasany. Nanafika sy nanendaka olona mpandalo tany an-toerana ny andian-jiolahy nirongo antsy sy sabatra. Voaroba, tamin’izany, ny entana rehetra teny amin’ilay lasibatra. Mbola noratrain’izy ireo tamin’ny zava-maranitra ihany koa ilay mpandalo. […]

Namonjy kabone vao maraina: mpianaka niara-maty voatsatoka antsy

Voafira antsy teo amin’ny tendany ny renim-pianakaviana iray, omaly maraina, tao Marofinaritra. Voatsatoka antsy indroa ny zanany vavy. Vokany, maty avokoa izy mianaka. Nitrangana habibiana nataon’olon-tsy fantatra tao amin’ny tanànan’i Marofinaritra, kaominina Ma­nanjary, omaly maraina. Nia­ra-namoy ny ainy tamin’ny zanany vao dimy taona monja ny renim-pianakaviana iray, tokony ho 43 […]