Nialana nenina teny anivon’ny hopitaly, namoy ny ainy vokatry ny daroka nahazo azy ny tovolahy 17 taona tao Toamasina Renivohitra, ny 27 septambra teo. Nitrangana fahaverezana vola 10 000 Ar tao amin’ny tranon’izy ireo. Tezitra mafy ny rain’io ankizy io. Nodarohana tamin’izany ilay zanany lahy. Ataon’ny rainy ho tompon’antoka tamin’ny fanjavonan’io […]
Tranga
Ambohitrimanjaka : roa lahy nahatrarana rongony 5 gony
Naiditra vonjimaika any am-ponja ireo roa lahy nahatrarana rongony dimy gony tao Ambaribe, fokontany Fiakarana, kaominina Ambohitrimanjaka, ny 28 septambra teo. Lehilahy iray tra-tehaky ny zandary teo am-pifohana io karazan-javamahadomelina io. Nofotorin’ny mpitandro filaminana io mpidoroka io ka nanaiky hitoroka ny foibe mpamarotra rongony. Noraisim-potsiny tao an-trano nambenany ny mpiambina […]
Nahatrarana finday halatra: voasambotra izy roa lahy
Narahin’ny polisy nisahana ny fanadihadiana tamin’ny alalan’ny laharana IMEI an’ny telefaonina very, mpamaky trano roa lahy voasambotra tao Mandritsara, omaly. Nitrangana vaky trano tao amin’ny fokontany Ambohipo, ny alin’ny alahady 28 jolay lasa teo. Norobain’ireo jiolahy avokoa ny entana sarobidy tao amin’ny trano lasibatra. Nalain’ireo mpandroba koa ny finday. Nametraka […]
Mafy ny fifandonana… : Jiolahy iray lavon’ny balan’ ny polisy
Tohivakana ny fanafihana ao Toamasina. Ny eo voatifitra, ny hafa manafika, izany ny zava-miseho ao an-toerana. Jiolahy iray maty voatifitra tao Ankirihiry, ny alahady alina teo, saingy omaly, raim-pianakaviana iray hafa voatafika tao anaty bajaj… Maty voatifitry ny polisin’ny UIR tao Ankirihiry Toamasina, ny alahady alina teo, ny jiolahy raindahiny […]
Ambohidratrimo : lehilahy nahatrarana vola sandoka 40 000 Ar
Tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray mpanaparitaka vola sandoka tao amin’ny fokontany Ambohidehilahy, kaominina Ambohidratrimo, ny 28 septambra teo. Naharay loharanom-baovao avy tamin’ ny tsara sitrapo, nosavaina ny trano fonenan’io lehilahy voarohirohy io. Nahitana vola sandoka 5 000 Ar miisa efatra niampy 10 000 Ar miisa roa tao aminy. Nihazona tombokase hosoka […]