Mahita atao foana! Voasambotry ny zandary teny Anosizato Andrefana, ny faran’ny herinandro, ny lehilahy iray nanao fandikan-dalàna sady naniratsira mpitandro filaminana teo am-panatanterahana ny asany. Tsy nanaiky ny fandrindrana sy ny fandaminana ny fifamoivoizana nataon’ny zandary ity lehilahy ity fa nilaza ho maika sy nitonona ho miaramila mitondra ny galona […]
Tranga
Niady lavaka: telo lahy maty tototry ny tany
Olona telo niara-maty tototry ny tany tao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Niezaka nanavotra ny fokonolona fa tsy tana ny ain’izy ireo. Nifampisokirana tao anaty ranontany ireo telo lahy nihotsahan’ny tany tao amin’ny tanànan’Ambedamena, fokontany Betafo, kaominina Ambakireny, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Niasa io tany io hanaovana lalan-drano ho any amin’ny tany […]
Ankasina : roa lahy nangalatra vola 5 hetsy
Jiolahy roa, nandroba tao amina tokantrano iray tetsy amin’ny fokontany Ankasina, afakomaly maraina. Nitondra sabatra lavalela, niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io ireo jiolahy. Ny zana-drahalahin’ny tompon-trano no niambina ny trano tamin’io fotoana io. Nanao mora ny nangalan’ireo mpandroba ny entana sarobidy. Voaroba ny fahitalavitra, lektera niampy lelavola nitentina 500 000 […]
Valo lahy nitam-basy : voaroba ny vola 30 tapitrisa Ar
Lasan’ny valo lahy nitam-piadiana ny vola mitetina 30 tapitrisa Ar teny amin’ny lalam-pirenena faha-35, 15 km ivelan’ny tanànan’Ambatofinadrahana, ny talata 24 septambra teo. Nitondra basy miisa efatra ireo olon-dratsy. Nosakanan’izy ireo ny fiara. Novakian’ireo jiolahy ireo ny fitaratra. Voambana vavabasy, tsy nisy nahetsika ireo roa lahy tao anatin’ny kamiao. Voatery […]
Fialonana sy hasarotam-piaro : raim-pianakaviana nahafaty ny vadiny
Novonoin’ny raim-pianakaviana ho faty ny vadiny, afakomaly. Nitroatra ny fokonolona ka nanao fitsaram-bahoaka. Voalaza fa hasarotam-piaro no nanindromany antsy an-dramatoa. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany ny zandary momba ny fisiana fatim-behivavy hita ao amina tokantrano iray ao amin’ny fokontany iadidiany. Tonga teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera ka […]