Raikitra ny savorovoro tao Andohan’Ilakaka, taorian’ilay vono olona nahatsiravina natao an’ilay renim-pianakaviana, ny alarobia teo. Omaly, nirohotra nihazo ny tobin’ny zandary ao an-toerana ny fokonolona nitaky ny hamoahana ilay lehilahy voalaza ho namono azy. Niely tao an-toerana mantsy fa voasambotry ny zandary ilay rangahy, antony nahatonga ny fokonolona saika hanao […]
Tranga
Niala olona niampita tampoka: kamiao nitondra letisia nivadika tany an-kady
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tao Anjiro Vavatenina, teny amin’ny lalam-pirenena faha-22, omaly vao maraina. Hitondra letisia haondrana, nikasa hihazo an’i Toamasina ity kamiao tra-doza ity. Niakatra fiakarana, nivadika tampoka tany anatin’ny kirihitra ity kamiao ity. Araka ny nambaran’ny mpamily, niala olona niampita arabe tampoka izy ka tsy voatana intsony ny familiana […]
Asan-jiolahy: lehilahy maty voavely “bois rond”, iray hafa naratra mafy
Nikasa hihazo ny trano fenenany, nifanehatra tamin’ny jiolahy ka maty voavely hazo be ny raim-pianakaviana iray ny herinandro lasa teo. Mitady hahazo vahana ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny distrikan’i Betafo. Ny asabotsy lasa teo, mpianaka roalahy hamonjy fodiana any Ambatonikolahy no lasibatry ny asan-jiolahy. Samy voavely “bois rond” izy mianaka […]
Isotry : mpangarom-paosy roa lahy tratra
Lehilahy 18 sy 27 taona indray no saron’ny polisy teo am-panaovana ny asa ratsiny, omaly, tetsy Isotry. Nanararaotra ny hamaroan’ ny mpivezivezy izy roa lahy ireto ka tsy nisalasala nangarom-paosy teny an-toerana. Malaza ratsy sy mampitaraina ny olona rahateo izy ireo ka narahin’ny polisy maso. Nahitam-boakany izany ka tratra am-bodiomby […]
Voatondro ho nitondra volamena: Sinoa efatra miandahy nahatrarana basy
Mitrandraka sady mamoaka volamena an-tsokosoko, sarona niaraka tamina volamena tsy ara-dalàna ny teratany sinoa efatra tao Marovahy, Mananjary, afakomaly. Noho ny fahafantarana fisiana teratany nitondra volamena teny amin’ny lalam-pirenena, nanao fisavana ny teo anivon’ny mpitandro filaminana. Nanao vela-pandrika, sarona tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana marika Nissan ireo Sinoa efatra mianadahy […]




