Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny ny ben’ny Tanànan’Ambohimiarivo, distrikan’Antsirabe II, ny harivan’ny 23 oktobra teo. Voaroba sy lasan’ireo andian-jiolahy nirogo basy manodidina ny 15 isa tsy nisaron-tava tamin’izany ny vola sy findain’ireo tompon-trano. Tsy nisy maty sy naratra ireo lasibatra. « Tsy nisy nisaron-tava ireo olon-dratsy, tsy fantatra ihany koa ny vola […]
Tranga
Halatra taolam-paty: jiolahy roa maty voatifitra
Jiolahy enina mpivarotra taolam-paty tratry ny zandary tao Ambohipihaonantsoa, afakomaly tokony tamin’ny 11 ora alina. Maty voatifitra tamin’izany ny jiolahy miisa roa nanao asa ratsy. Nahafahana nisambotra azy ireo ny vela-pandrika nataon’ireo zandary. Tsiahivina fa nahazo loharanom-baovao ny zandary fa misy olona mitady mpividy taolam-paty any efa ho herinandro mahery […]
Haintrano mahatsiravina: entana manodidina ny 700 tapitrisa Ar may
Nijoalajoala ny afo tao amin’ny fokontany Avaradrova, kaominina Ambatondrazaka, omaly. Nanomboka tamin’ny 03 ora sy fahefany maraina teo ny afo ka nandravarava trano fivarotan-kazo ao an-toerana. Vokany, may avokoa ny faritry ny tokotany eo amin’ny 50m2 misy ity tranom-barotra ity. Kilan’ny afo ny entana rehetra, ireo masinina, entam-barotra sy trano […]
Valizin’ny filoham-pirenena: nohadihadina lalina i Mahery Lanto Manandafy
Niatrika ny mpitsara mpanao famotorana, omaly, i Mahery Lanto Manandafy. Raharaha “valizin’ny filoham-pirenena” no nampiantsoana azy. Naverina eny Antanimora izy. Niverina teny amin’ny fitsarana, omaly maraina, i Mahery Lanto Manandafy na i Malama. Nanaovan’ny mpitsara mpanao famotorana fanadihadiana momba ny raharaha « valizin’ny filoham-pirenena » izy. Naharitra adiny iray mahery ny fakana […]
Morondava: tra-tehaky ny polisy ireo jiolahy mpamaky trano
Saron’ny polisim-pirenena, ny faran’ny herinandro teo, tao Morondava ireo roa lahy malaza mpamaky trano ao an-toerana. Nisesisesy tokoa ny vaky trano tao amin’ny renivohitry ny faritra Menabe, tao anatin’ny andro maro. Araka izany, nanamafy ny fisafoana sy nametraka paikady hanenjehana ireo jiolahy ny polisy. Nahitam-bokany izany ka voasambotra ireo jiolahy […]




