Tranga

Fakana an-keriny: hiakatra fampanoavana ny depiote Zozo

Hiakatra fampanoavana, anio, ilay raharaha fakana an-keriny tao Tsaratanana nahavoasaringotra ny depiote teo aloha, Ratsimanosika Alex­andre (Zozo), sy ireo olona efatra nosamborina niaraka taminy. Isan’ireo voasambotra niaraka taminy ny mpiambina azy sy ny rahalahiny ary olona roa hafa. Dimy izy ireo, araka izany, no hiatrika ny fampanoavana. Ny alakamisy 19 […]

Mahajanga : mpamaky trano roa lahy voasambotra

Tratran’ny polisy nanao fisafoana ny mpamaky tra­no roa lahy avy nanao ny asa ratsiny tao amin’ny faritra La Corniche, ny alin’ny 23 septambra teo, tamin’ny misasak’alina. Nilanja fahitalavitra nandritra ny andro maizina tamin’io fotoana io ny lehilahy iray. Nifanena tamin’ny polisin’ny UIR, nandositra avy hatrany izy. Nanaraka azy ny mpitandro […]

Nidaroka am-badiny: vazaha lehilahy nosamborin’ ny zandary

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny teratany vahiny iray nikasi-tanana ny sakaizany tetsy amin’ny kaominina Ambohidratrimo. Nokorontaniny ny mponina manodidina azy ireo. Nampihatra herisetra ta­min’ny sakaizany, notanana ataon’ny zandary fanadihadiana ny teratany vahiny iray teny Ambodifarihy, fokontany Atsimomparihy, ka­o­minina Ambohidratrimo. Nia­raka tamin’ny toeram-pisakafoana iray teny Ivato ilay vazaha sy ny sakaizany ny […]

Ambohitrambo – Arivonimamo : ramatoa maty voatsatoka antsy

Ramatoa iray hita faty tao an-tranony, ao Ambohitsoa­nan­driana, fokontany Soala­nitra Ambohitrambo, distrikan’ Arivonimamo, omaly ma­raina. Nahazo fampandrenesana vao maraina, tamin’ny alalan’ ny sefo fokontany ao Soala­nitra ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritra Arivoni­mamo momba ny fisian’ity olona hita faty ity. Nentina haingana teny an-tranon’ilay renim-pianakaviana niharam-boina ny zandary niaraka tamin’ny dokotera […]