Tranga

Tsiroanomandidy-RN1bis : Taksiborosy nivadika, olona efatra naratra

Mpanao gazety sy dokotera ny roa tamin’ireo olona efatra naratra nandritra ny lozam-pifamoivoizana tao Mahatsinjo, kaominina Tsiroanomandidy, ny alin’ny alarobia 18 marsa lasa teo. Potika tanteraka ny fiara. Olona miisa efatra naratra taorian’ny lozam-pifamoivoizana tao amin’ny tao Mahatsinjo, kaominina Tsiroanomandidy, ny alarobia 18 marsa lasa teo, tamin’ny 10 ora alina. […]

Ambohimangakely : Telo lahy nangalatra moto naiditra am-ponja

Olona miisa telo tamin’ireo dimy voasambotra nalefa any am-ponja taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Ambohimangakely, afakomaly. Nitrangana halatra moto tao Soanierana-Ambohimangakely, ny alin’ny 25 aogositra 2025. Tsy hita popoka ireo moto nalain’ny olon-dratsy tao anatin’ny garazy iray tamin’io fotoana io. Nanao fisavana tampoka tamin’ireo mpitondra moto ny […]

Fenoarivo: Mpitondra moto maty voafaokan’ny fiara

Nandositra ny fiara sprinter nandona ka nahafaty mpitondra moto iray teny amin’ny digue mampitohy an’Ampitatafika sy Fenoarivo, omaly. Nitondra mpandeha avy any Fenoarivo ny taksibe iray, araka ny fampitam-baovao. Nipitika teny afovoan’ny arabe ilay mpitondra moto taorian’ny fifandonana. Naratra mafy ity farany ka voatery nentin’ireo nanatri-maso teny anivon’ny hopitaly. Tsy […]

Ampandrana : Ankizivavy miisa sivy naolana lehilahy 47 taona

Ankizivavy miisa sivy (6 ha­tramin’ny 12 taona) no ni­haran’ny fanolanana sy fanararaotana ara-nofo nataona lehilahy lehibe iray 47 taona teny amin’ny fokontany Ampandrana. Tonga nametraka fitoriana teny anivon’ny fitsarana, omaly, araka izany, ireo ray aman-dreny maromaro monina sy mipetraka eny amin’io fokontany io. Niharan’ ny herisetra ara-nofo matetika ireo ankizivavikely […]