Tranga

Lozam-piarakodia : Dorkasy 12 indray naratra mafy

Nitrangana lozam-piarakodia indray tao Alakamisy Ambohi­maha, 21 km miala an’i Fianarantsoa, omaly atoandro. Dorkasy avy amin’ny FJKM avy any Alakamisy Itenina hamonjy fivoriana ao Ambohimasoa ireto tra-doza ireto. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa miisa 31 ireto vehivavy hamonjy fivoriana ireto ka ny 12 amin’izy ireo no tena naratra mafy, […]

Voatifitra tetsy Anosibe : Jiolahy roa saika hanendaka polisy

Nirefodrefotra ny basy teny Anosibe, boriborintany fahefatra, ny afakomaly alina. Maty tsy tra-drano ny olon-dratsy roa lahy mpanao fanafihana mitam-piadiana. Saika hanendaka polisy izy ireo. Lavo nandritra ny hetsika manokana nataon’ny ekipan’ny polisim-pirenena ny jiolahy roa teny Anosibe, afakomaly alina. Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eny amin’io faritra io […]

Fitondran-tena mamoafady ataon’ny zandary: Handraisana fepetra hentitra

Misesisesy ny trangana fihetsika mamoafady ataon’­ ireo zandary, indrindra any amin’ny tapany avaratry ny Nosy, tato ho ato. Anisan’­ izany ny tranga fanolanana ankizivavy 17 taona iray, tany Marofinaritra Antalaha, ny volana avrily lasa teo. Voa­tazona nanaovana fanadihadiana noho ny fahaverezana basy izy ary niharan’ny fanararaotana ara-nofo nandritra izany. Mbola […]

Nanaparitaka vola sandoka: Lehilahy iray naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana, omaly, notanana vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray nahatraran’ny polisy vola sandoka tao Mananjary. Mody nividy entana teo amin’ny mpivarotra ao an-toerana io lehilahy io. Vola sandoka avokoa no nampiasainy. Tsy taitra ny mpivarotra saingy niantso avy hatrany ny mpitandro filaminana hisambotra io olona nikasa hisoloky tamin’ny vola […]

Teo an-tokotanim-pasana: Lehilahy hita faty tapa-tanana tetsy Ivandry

Hita faty tao an-tokotanim-pasana, tao anaty kirihitra, ny lehilahy iray, tetsy anelanelan’Alarobia sy Ivandry, boriborintany fahadimy, omaly maraina. Tsy hita nanomboka ny alakamisy 30 avrily teo izy. Tapaka ny tanany havia ary efa simba ny ilan-tanana havanan’ny lehilahy iray hita faty tao anaty kirihitra, tetsy anelanelan’­ Alarobia Amboniloha sy Ivandry, […]