Tsy ampy taona ny iray tamin’ireo roa lahy nosamborin’ny mpitandro filaminana noho ny fanararaotana ara-nofo sy fandrahonana nataony tamin’ny ankizivavy 16 taona, tao Itaosy, afakomaly. Mody nomen’izy roa lahy ronono soja, tsy nahatsiaro tena intsony ilay ankizivavy vao 16 taona lasibatry ny fanolanana tetsy Itaosy. Tompon’antoka tamin’ny fanararaotana io zazavavy […]
Tranga
Kaominina Ivato : mpirahalahy niara-namaky trano
Mpirahalahy iray tampo, niaraka namaky trano ka samy voasambotry ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Ilaivola, kaominina Ivato, ny 15 septambra teo. Nihaodihaody teo amin’ny tokantrano an’ny mpiray monina aminy izy roa lahy. Tamin’ny 3 ora tolakandro, nosokirin’izy mirahalahy ny varavarankelin’ny trano. Niditra antsokosoko tao amin’io tokantrano io izy ireo. Tsikaritry […]
Fanafihana olona mitondra vola : ahina ho mpiray tendro ny mpiasan’ny banky
Misesisesy tato ho ato ny trangana fanafihana mitam-piadiana ireo olona avy maka vola ao amin’ny banky ao Toamasina. Ny alatsinainy 16 septambra 2024 teo, tovolahy iray avy naka vola tamina banky iray ao Toamasina no lasibatry ny jiolahy tao Bazarikely akaikin’ny toerana fivarotana kapa. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola 16 […]
Fako nodorana nitera-doza : trano 11 tafo levon’ny afo
Tsy manan-kialofana vokatry ny haintrano ny olona maherin’ny 100, ao amin’ny fokontany Ambalamarina, kaominina Andina, distrika Ambositra, ny faran’ny herinandro teo. Nisehoana fahamaizana niteraka fahasimban’ny trano miisa 11 tafo tao amin’ny tanànan’i Sahasaorina. Nandoro fako tsy lavitra ireo trano ireo ny iray tamin’ny mponina ao an-toerana. Nandadizan’ny afo tampoka anefa […]
Efa-dahy karohina : lehilahy voarasarasa antsibe teo amin’ny lohany
Nisokatra ny tranon’atidohany sady norasarasaina antsy ny lehilahy iray tao Morombe, afakomaly. Disadisam-piarahamonina no nitarika ny vono olona. Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray, novonoin’ ny mpiara-monina taminy tao Antsirovitry, fokontany Ampasilava, kaominina Basibasy, distrika Morombe, afakomaly. Nisy tsy fifankahazoana teo amin’io lehilahy io sy ny mpiray monina taminy maromaro. […]