Tranga

Ambatopotraka : Fasana efatra vaky, razana aman-jatony lasan’ny olon-dratsy

Tsy mitsaha-mirongatra ny vaky fasana sy ny halatra taolam-paty. Fasana efatra indray novakian’ny olon-dratsy, omaly, tany amin’ny fokontany Amboniloha, kaominina ambanivohitra Imerimandroso. Razana aman-jatony lasan’ireo jiolahy nandritra izany. Fasana efatra indray nisy namaky tany Amba­to­potraka, fokontany Am­bo­niloha, kaominina ambanivohitra Imeriman­droso, disi­trikan’Ambohidratrimo, omaly. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny razana aman-jatony maro tao […]

Anosibe : Mpanendaka maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny Unité d’intervention rapide (UIR) tetsy Anosibe, ny jiolahy iray, afakomaly tamin’ny 7 ora hariva. Malaza amin’ny fanaovana asa fanendahana miharo herisetra sady mpanao sinto-mahery izy io. Nikasa hanendaka mpandeha an-tongotra hamonjy fodiana teny Anosibe ity jiolahy ity sy ny […]

Raim-pianakaviana nanindrona antsy zafikely: Voaheloka hiasa anterivozona mandritra ny 10 taona

Niakatra fitsarana misahana ny heloka bevava omaly, tany Brickaville, ilay raim-pianakaviana 53 taona namono nahafaty ny zafikeliny. Nan­dritra ny fankalazana ny fetin’ny maty, ny 16 novambra 2020, novonoiny tamin’ny antsy ny zafikeliny, izay nonina tao Tsararivotra, kaominina ambonivohitr’ i Brickaville. Nandositra sy nifindra monina niala ny toerana sy faritra nisy […]

Vangaindrano : Rongony 15 gony saron’ny zandary

Nogiazan’ny mpitandro filaminana ny rongony 15 gony tratra tao ampitan’ny reniranon’i Menagnara, kaominina Van­gaindrano, ny alahady 18 mey teo. Nitady hevitra hitondrana ireo entana ireo miakatra ny tanàn-dehibe ny olona tsy fantatra ka niparitaka ny feo. Nitoroka teny anivon’ny mpitandro filaminana ny tsara sitrapo. Niroso tamin’ny fikarohana ny tompon’entana avy […]