Zazavavy roa, 9 sy 11 taona, hita faty natsingevan’ny farihin’Andraikiba, Antsirabe. Nentina vehivavy iray ireo zaza miisa roa, nanomboka nifampitadiavan’ny fianakaviany, ny alahady tolakandro teo. Hita faty voalohany ilay 11 taona, ny alatsinainy teo. Natsikafin’ny rano ilay sivy taona, omaly. Tsy nisy akanjo, nahitan’ny fianakaviany ratra ny vatan’ireo namoy ny […]
Tselatra
Vitan-dratsy ho an’ilay mpanamory frantsay, i Sebastien Loeb, ny andiany faha-17 amin’ny Rally Dakar. Tojo olana elektronika ny fiara nentiny ka voatery miato hatrany izy nandritra ireo dingana notanterahina ny alahady sy omaly. Tsiahivina fa nanomboka ny 3 janoary teo ity fifaninanana ity ary hifarana ny faha-17 n’ity volana ity. […]
Indray mijery
Manohy ny fanadiovana ny tanàna ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Anton’izany ny loto nateraky ny fety noho ny hamaroan’ny olona nivezivezy tamin’ireo hetsika sy fiantsenana maro. Nimasoana aloha ireo toerana tena be olona toy ny teny Ambohijatovo sy Analakely. Hitohy eny amin’ny toerana hafa sy ireo misy tsena izany. Mpianatra 260 […]
Vaovao tambatra
Mila mitandrina ny rehetra amin’ny fihinanana hazandranomasina amin’izao fiakaran’ny hafanana izao. Misy ny petadrindrina ataon’ny fanjakana, milaza ireo karazana hazandrano tsy azo hohanina, mba hisorohana ny loza aterak’izany (Icam). Satria miakatra izaitsizy ny hafanan’ny ranomasina, miantoka ny 80%-n’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao. Niakatra ny haavon’ny reniranon’Ifasy, any amin’ny lalam-pirenena faha-6, […]
Taratry ny kanto
Misedra olana ireo mpanao asa Tanana, amin’izao. Anisan’izany ny tsy fahampian’ny akora fototra ahafahana manao ny asa. Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ireo tomponandraikitra momba izany. Olan’ny mpanao asa tanana koa ny tsy fahampian’ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Tsara fanombohana ny taona ho an’ny fampianarana zavakanto. Samy nampitombo ny taranja (zavakanto) ianarana ao […]