Tselatra

TSELATRA

Lehilahy iray 29 taona nahatrarana fonosana rongony miisa 15 tany Manolotrony, fokontany Saha­von­tsilana, kaominina ambanivohitra Sahasinaka, distri­kan’i Manakara, omaly. Nahitana rongony tokony ho 200 grama tao anaty selofanina mainty. Niaiky izy fa hamidiny 500 Ar ny fonosana iray. Nosamborin’ny zandary izy ary efa mia­trika fanadihadiana. Nitrangana haintrano tao Ambongamarina, fokontany […]

TSELATRA

Mpanendaka, nibaby sakaosy sy nanao satroka ba mainty, voasambotry ny fokonolona tetsy Andra­voahangy Ambony, omaly maraina. Avy nanendaka olona tao anaty taxi-be zotra E nanala olona teo amin’ny fiantsonana ity tovolahy ity. Niantso vonjy ilay lasibatra, nenjehin’ny fokonolona ilay olon-dratsy ka tratra. Nentina teny amin’ny biraon’ny polisy izy avy eo. […]

TSELATRA

Roa lahy voasambotry ny polisy teny Itaosy sy 67 Ha, afakomaly. Mpangalatra ny iray tamin’izy roa lahy ireto. Nahatrarana finday halatra teny aminy. Norobainy tao anaty fiara nijanona teny 67 Ha ilay finday. Nihazona zava-mahadomelina ny iray hafa. Natao famotorana izy ireo. Lehilahy nikasa hanolan-jaza notanan’ny mpitandro filaminana tao Tsimahavaobe, […]

TSELATRA

Tovolahy roa no voasambotry ny polisim-pirenena miasa etsy amin’ny paositry ny polisy Loharanombato, omaly. Tratra nitondra rongony nandritra ny fotoam-pamadihana iray teny an-toerana, antony nisamborana azy ireo. Polisy manao fanamiana sivily no nahatratra azy ireo. nentina eny amin’ny biraon’ny polisy izy ireo taorian’izay.

TSELATRA

Tafakatra enina ireo voarohirohy tamin’ny famonoana an’i Finaritrasoa Valimbavaka, zazalahy 6 taona, tetsy Ambodizana, fokontany Tsarahonenana, kaominina ambanivohitra Fenoarivo, ny alatsinainy teo. Anisan’izany ny reny niteraka azy, ny raikeliny, ny anadahin- dreniny, ny anadahin-dreniny hafa, ny anabavin’ny raikeliny ary ny rahalahin’ny raikeliny. Ampangaina ho nanao herisetra tamin’ilay zaza izay niteraka […]