Tselatra

Vaovao tambatra

 Miato ny fandoavana faktioran’ny Jirama amin’ny MVola noho ny antony tsy miankina amin’ny Jirama, araka ny fampahafantarana nataon’ity orinasa ity, ny 21 mey teo. Mandeha tsara kosa ny fampiasana ireo tambajotra hafa. Tsy mandeha koa ny fampiasana ny tolotra #699# an’ny MVola, fifanakalozam-bola eo amin’ny MVola sy ny banky BNI, […]

Fantina sy fintina

Hanomboka hanao ny fakan-kevitra miainga amin’ny fokontany 192 eto Antananarivo Renivohitra, ny vovonana Antenimieran’ny tolona ho amin’ny fanavaozana (ATF) amin’ity herinandro ity. Hanao kongresy nasionaly koa ry zareo amin’ny septambra hanapahan-kevitra ny amin’izay ho lalan-kizorana amin’ny raharaham-pirenena. Tsy ekena ny hevitra efa tapaka mialoha no holaniana. “Ny hevitry ny maro […]

Indray mijery

 Manohy ny asa fanamboarana ireo lalana simba, mampimenomenona eto Antananarivo, ny CUA. Voakasik’izany ny Axe Antsakaviro-Mascotte, Andra­voahangy Rotsirotsy, lalana VVS Antanimora, Iso­raka … Hitondra fahatsaran’ny fifamoivoizana sy hiantoka ny fiarovana ny mpampiasa lalana ny fahavitan’ ireo lalana ireo.  Ho fanatsarana hatrany ny tolotra ho an’ny vahoaka sy ho fanohanana ireo […]

TSELATRA

Nanomboka niverina indray ny fanaovana fisafoana iarahan’ny vahoaka sy ny Polisim-pirenena ao Mananjary, tamin’ity herinandro ity. Tanjona ny hafahahana manamafy ny fandriampahalemana sy ny filaminana any an-toerana. Nidina ifotony nandritra izany, ny kaomisera foibe izay nanentana sy nanofana ireo vaomieran’ny fandriampahalemana avy amin’ny fokontany isan-karazany. Hiara-miasa ny fanaraha-maso sy fanomezam-baovao […]

TSELATRA

Nidiran’ny olon-dratsy ny tokantrano iray teny amin’ny Bibilava, fokontany Ambohipo,  boriborintany faharoa, omaly maraina. Voaroba ny vola 700 000 Ar niampy solosaina. Tsy nisy nahatsikaritra ny fidiran’ireo mpanao ratsy ny olona tao an-trano. Ahina ho tamin’ny 1 hatramin’ny 3 ora maraina no nanaovan’ireo mpangalatra io asa ratsy io. Jiolahy raindahiny iray […]