Tselatra

Vaovao tambatra

Avo ny ambana mety hisian’ny afo, miloko volomboasary, ankehitriny, any amin’ny faritra Androy, Atsimo Andrefana, Melaky ary Menabe, araka ny vinavina nomen’ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Ilaina mivonona ny rehetra amin’ny fandraisana fepetra mifandraika amin’izany. Somary ambonimbony kosa ny ambana, miloko mavo, any amin’ny ilany avaratra andrefana, afovoany atsimo, atsimo andrefana […]

Fantina sy fintina

Noraisin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsirohitra, omaly, ny mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny masoivohon’i Rosia eto Mada­gasikara, i Alexe Buriak. Fanamafisana fampivoarana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Rosia ny dinika nandritra ny fihaonana. Hisy ny fotoam-bavaka sy antsam-piderana ho firaisan-kina ho an’ny taninjanaka,  ny 18 septambra […]

Tselatra

Rangahy iray niboridana, no nosamborin’ny fokonolona ary natolotra ny mpitandro filaminana, omaly, tetsy Ankady Tavimena, kaominina Alasora. Voalaza fa miafina eo amin’ny toerana be fasana izy. Enjehiny avokoa ny ankizy mpianatra sy ny vehivavy mandalo eny an-toerana. Mitaintaina ireo olona ireo rehefa handalo eny satria mangina rahateo eny an-toerana. Niakatra […]

Fantina sy fintina

Voatendry ho masoivohon’i Madagasikara any Belgique, sady solontena eo anivon’ny Vondrona eoropeanina ao Bruxelles ny filoha nasionalin’ny antoko HVM (Hery vaovaon’i Madagasikara), Rakotovao Rivo. Nandritra ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny sabotsy 12 septambra lasa teo no namoahana izany. Nanao fanambarana ny VFM (Vovonan’ny fihavaozana ho an’i Madagasikara). Nambaran’izy […]

Tselatra

Efa-dahy nahitana rongony nosamborin’ny polisy nanao fisafoana teto Antananarivo Renivohitra, ny alakamisy 8 septambra lasa teo. Nisava ireo olona naneho fihetsika nampiahiahy teny 67 Ha, Analakely, hatrany Ankazomanga sy Ankorondrano ny polisy. Voasambotra teo amin’ny tetezan’i Ramala, teny Isotry, ny mpanao sinto-mahery iray, ny sabotsy 11 septambra teo. Nitory teny […]