Tselatra

TSELATRA

Tontosa ny 18 avrily 2026 teo ny lanonana ara-miaramila nanomezana ny mari-boninahitra “Chevalier de l’ordre national” sy fampiakarana ho “Sergent” an’i Kaporaly Evoadraza. Namoy ny ainy, nandritra ny fanarahan-dia ireo omby 200 lasan’ny dahalo ny 31 desambra 2025, tao Beravy kaominina Tsihanisiha, distrika Toliara II, izy. Nitarika izany ny lehiben’ny […]

TSELATRA

Rongony manodidina ny 43 gony, nodoran’ny polisim-pirenena tany Ihosy, ny marainan’ny 30 avrily 2026 lasa teo. Notanterahina teo anoloan’ny seranam-piaramanidina Ihosy izany. Marihina fa nangonina nandritra ny hetsika natao teo anelanelan’ny volana desambra 2025 sy marsa 2026 tany amin’ny toerana samihafa ao amin’ny faritra Ihorombe ireo zava-mahadomelina ireo. Olona maromaro […]

TSELATRA

Vehivavy iray tokony ho 30 taona indray no hita faty teny amin’ny reniranon’Ikopa, nanaraka ny fefiloha Ambaniala Itaosy, afakomaly. Nihohoka teo ambony vato ny vatany ary nikirazozaro tany anaty rano ny tongony. Tsy nisy nahalala azy ny olona teny an-toerana. Mbola hita teny aminy avokoa ny fitafiany. Tombanana ho mpanasa […]

TSELATRA

Lehilahy efatra, malaza ratsy amin’ny fanendahana sy harom-paosy, voasambotry ny polisy, tetsy amin’ny tsenan’Anosibe, ny 27 avrily 2026 tamin’ny 9 ora maraina. Raha ny fantatra, efa mpamerin-keloka sy efa nigadra matetika noho io asa ratsy io izy ireo. Mitondra hareza sy paingotra izy ireo mandritra ny asa ratsy ataony. Omby […]

TSELATRA

Trano lehibe iray misy rihana nirehitra tetsy Mahamasina, omaly. Nifamonjen’ ireo mponina manodidina ny famonoana ny afo. Niatrana teny an-toerana rahateo ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina. Tsy nisy aina nafoy. Nosamborin’ny fokonolona ireo roa lahy tratra nangalatra henan-kisoa tao amin’ny fahorian’olona tao Tanamahalana, kaominina Ambositra, omaly. Mbola sarona teny an-tanan’izy […]