Tovolahy iray naratra voatsindrona antsy teny Amoronakona, kaominina Ambohimangakely, ny alin’ny alatsinainy 21 septambra, tamin’ny 8 ora sy sasany. Lehilahy maromaro niaraka nisotrosotro no niafara tamin’izao fifampikasihan-tanana izao. Olona roa voalaza ho nandratra no voasambotra ary atao fanadihadiana. Nilatsaham-potaka ka namoy ny ainy ny talen-tsekoly eo anivon’ny EPP ao Soamanana, […]
Tselatra
TSELATRA
Polisy 30 mianadahy no nanome ra tetsy amin’ny CHRR Bongolava, omaly nanomboka tamin’ny 8 ora maraina. Izay notarihan’ny Talem-paritra sy ny Lehiben’ny Kaomisaria, ny ankoatra ireo kosa nanohy ny asa andavanandro. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny polisim-pirenena malagasy izany hetsika izany. Mbola maro ny hetsika karakarain’izy ireo. Notazomina […]
TSELATRA
Lehilahy iray tokony ho 50 taona, nitsambikina tao anatin’ny ranon’Ikopa Tanjombato, afakomaly maraina. Hitan’ny olona nilatsaka tao izy, ary ora vitsy taorian’izay dia efa nitsingevana ny vatana mangatsiakany. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ity raim-pianakaviana namono tena ity. Nalain’ny havany teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny razana, omaly maraina. […]
TSELATRA
Naharenesana poa-basy intelo tetsy Ambalavao Isotry, 15 km miala ny biraom-pokontany Ampefiloha, afakomaly, tamin’ny 6 ora latsaka fahefany. Notafihin’ny jiolahy miisa telo teny an-dalana ny lehilahy mpamongady iray. Nianjera tamin’ny tany ilay lasibatra sady notifirin’ireo jiolahy tamin’ny basy. Voaroba ny vola iray sakaosy teny aminy. Efa manaraka fitsaboana any amin’ny […]
TSELATRA
Notanana vonjimaika any am-ponja, eny Tsiafahy, omaly, miandry ny fotoam-pitsarana azy ilay miaramila namono nahafaty ny rafozany teny Ankatso. Raha toa ka eken’ny fitsarana ny vesatra hiampangana azy amin’ny fotoam-pitsarana, sazy mihatra mandra-pahafaty no mety ho azon’io lehilahy nahavanon-doza io, araka ny fanazavana avy amin’ny minisitry ny Fitsarana. Rongony maitso […]





