Tselatra

TSELATRA

Lehilahy miisa roa voasambotry ny zandary tao Mahitsy, omaly tamin’ny 1 ora maraina. Tratra nangalatra kisoan’olona tao Avaraparihy, fokontany Ambohitsilaizina, kaominina ambanivohitra Mananjara izy ireo. Nanao ny fikarohana ny zandary ka tratra teny am-pitondrana izany ireto olon-dratsy ireto. Nentina nanaovana fanadihadiana izy ireo. Lehilahy iray hita faty feno ratra sy […]

TSELATRA

Olona an-jatony, narary tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo tany Ambatomanohina ny alakamisy lasa teo. Nihinana sakafo namidy nandritra ny fampisehoana nataona mpanakanto iray tany an-toerana ireo olona ireo. efa manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Ambato­manoina, Analaroa izy rehetra. Raim-pianakaviana iray, maty notifirin’ny dahalo tany Amboronabo, Sakaraha, omaly tamin’ny 3 ora tolakandro. Nosakanan’ny […]

TSELATRA

Dimy lahy mpanao asa ratsy toy ny vaky trano sy fanendahana voasambotry ny polisy tao amin’ny kaominina Antsirabe, afakomaly. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny, tao Antsenakely, izy dimy mirahalahy ireo, tamin’ny 12 ora alina. Valo lahy ireo olona ahin’ireo lasibatra ho nandoro ny tanànany tao Morafeno, fokontany Ambatofotsy, kaominina […]

TSELATRA

Voasambotry ny polisim-pirenena ny lehilahy iray nangalatra tao amin’ny hopitaly CHUMEA Ambohi­miandra, ny 12 mey teo, tamin’ny 9 ora sy fahefany alina. Niditra antsokosoko tao amin’ny faritry ny hopitaly io lehilahy io ary nikasa hangalatra ny fitaovana fanoratana tao an-toerana. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ny tsara sitrapo ka […]

TSELATRA

Niakatra teny anivon’ny Pac 67 Ha, omaly, ireo olona enina voarohirohy tamin’ny fanaovana kolikoly sy fanapariahana laza adina mialoha, hidirana ho mpirakidraharaha eo anivon’ny fitsarana (ENMG). Mpiasa eo anivon’ny sekoly ny telo amin’izy ireo, izay samy niaiky heloka avokoa. Nanda ny fiampangana azy kosa ny olona telo hafa. Andrasana ny […]