Tselatra

TSELATRA

Nifampisokirana tao anatin’ny taxi-be 119 ny mpamily iray, ny sabotsy 25 avrily teo. Nidona tamin’ny fefin’ny zaridainan’Ambohijatovo ny fiara rehefa nikasa hiakatra ny lalana miditra ny Tunnel Ambanidia. Nentina nihazo toeram-pitsaboana ilay mpamily naratra. Vehivavy iray nendahin’ny olon-dratsy ka voaroba ny vola 123 700 Ar sy karapanondro niampy taratasy hafa, omaly. […]

TSELATRA

Nahitana fatim-behivavy iray tokony ho 25 taona tetsy amin’ny ranon’i Sisaony, Anosikely Ando­hatanjona Itaosy, omaly maraina. Nampakatra ny razana avy tao anaty rano ny mponina. Tonga nizaha ny razana sy nijery ny zava-nitranga ny mpitsabo sy ny polisim-pirenena. Tsy niakanjo intsony ny tapany ambany. Tom­banana ho efa herinandro ny nahafaty […]

TSELATRA

Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ireo roa lahy tratra nangalatra tao Ampasapito. Nafatratr’izy roa lahy tao anaty gony ny akoho fakana nofo am-polony. Saron’ny mpitandro filaminana tamin’ny marain’ny alatsinainy 20 avrily teo, tamin’ny 1 ora sy sasany maraina izy roa lahy ireo. Manao antso avo amin’ny tomponandraiki-panjakana ny ray aman-drenin’ilay […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray 57 taona mipetraka any Andramasina no voasoloky vola 7 hetsy Ariary. Naharay hafatra tamin’ny finday izy ny 15 avrily lasa teo. Anisan’ny nahazo tosika fameno 20 tapitrisa Ariary izy ary nantsoiny ilay laharana. Notakin’ilay olona 2 000 Ar sy 6 alina Ariary tany am-boalohany. Niitatra izany ka lasa tafakatra […]

TSELATRA

Tovovavy maromaro mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina iray ao Mandritsara no voan’ny ambalavelona, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Miantso ny anaran’ny tovolahy iray antsoina hoe : Jean Pierre avokoa izy rehetra ireo. Nidina an-tsehatra nisambotra an’io lehilahy voatonona anarana io ny polisy taorian’izay. Efa eo am-pelantan’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana. Lehilahy […]