Tselatra

TSELATRA

Lehilahy iray, nangalatra vata fampangatsiahana, saika matin’ny fitsaram-bahoaka tetsy Fenoarivo afakomaly. Tratran’ny olona teny am-pandehanana izy, ary saika hodoran’ny olona tamin’ny lasantsy. Tonga nandrava ny fikasana sy nitondra io lehilahy io kosa ireo zandary teny an-toerana. Fiara iray nivadika tetsy Behenjy, omaly hariva. Nisongona tao anatin’ny fiolanana ny mpamily, ary […]

TSELATRA

Renim-pianakaviana iray, 45 taona, matin’ny herinaratra avy amin’ny andrin-jiron’ny Jirama tetsy Ankazomanga. Naka ny zavatra nalatsaky ny zanany tao anatin’ilay rano izy no nanahavoakasika poto ka niharan-doza. Nosintomin’ny herinaratra teo amin’ny roa segondra teo ity farany. Mangataka ny hitadiavana vahaolana mahakasika ireny poto eny anelanelan-trano ireny ny mponina, mba hisorohana […]

TSELATRA

Mpitondra moto iray tapaka tongotra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy, tetsy Fenoarivo, afakomaly. Niseho teny amin’ny RN1, PK 1, akaikin’ny CEG Ambohimasina, fokontany Ambohimasina, kaomininina Alakamisy Fenoarivo, tamin’ny 4 ora hariva, ny loza. Nisongona kamiao lehibe iray izy io, ary nifanena tamin’ny fiara Peugeot iray izy no tra- doza. Nikasoka […]

TSELATRA

Manomboka midina ifotony ireo mpitandro filaminana eo anivon’ny Emmo-Reg. Taorian’ny fahataperan’ny fe-potoana fanentanana momba ny fandrarana tsy hanaovana fanamiana miaramila sy ny mitovy aminy. Manara-maso sy manentana hatrany ny rehetra izy ireo. Amin’ny ankapobeny, efa tsy ahitana fanamiana miaramila intsony eny an-tsena saingy mbola misy kosa ireo olona hita manao […]

TSELATRA

Karohin’ny mpitandro filaminana ny mpitarika ao amin’ny toeram-pivavahana iray any Manerinerina, faritr’i Boeny, amin’izao fotoana izao. Hanenjehana azy ny fanararaotana ara-nofo ataony amin’ny vehivavy tonga miangona ao aminy. Lasibatr’izany avokoa na vehivavy efa manambady na tsia. Efa ravan’ny mpitandro filaminana kosa ilay toeram-pivavahana. Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tany amin’iny RN1 iny, […]