Notanana vonjimaika any am-ponja ny jiolahy roa voasambotry ny polisim-pirenena teny Anosipatrana, ny 9 mey teo. Ikoizana amin’ny vaky trano sy famakiana fiara izy ireto. Fiara miisa roa, marika 2CV sy Peugeot 207, kila hotohoton’ny afo tetsy Andravoahangy ambony, ny sabotsy 10 mey teo. Niezaka namono ny afo teny an-toerana […]
Tselatra
TSELATRA
Niakatra fitsarana, Ambaratonga voalohany, omaly, ny raharaha nahafatesan’ny tovovavy iray, 23 taona, niseho teny Soavina, tamin’ny 30 aogositra 2024. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’io vono olona io ny lehilahy miisa telo. Anisan’izany ny olon-tian’ilay tovovavy namoy ny ainy. Teo koa ny tovolahy iray, izay niara-nianatra taminy ary lehilahy iray hafa nanampy […]
TSELATRA
Hita omaly maraina, teny amoron-dranomasina, ny lohan’ilay vehivavy teratany vahiny, 60 taona, nisy namono tany Mananjary, afakomaly. Tsy lavitra ny trano fonenany ihany ny toerana nahitana azy. Hatramin’izao, tsy mbola nisy ny olona voasambotra sy voarohirohy tamin’iny tranga mampihoron-koditra iny. Marihina fa tompon’ny trano fandraisam-bahiny « Le Jardin de la […]
TSELATRA
Tsena fivarotan-kazo roa kilan’ny afo tetsy Andravoahangy, omaly tamin’ny 8 ora sy fahefany maraina. Niainga tao amin’ny fivarotan-kazo iray, tao anatiny, ny afo. Tonga teny an-toerana ny vondrona mpamonjy voina vantany vao nahazo antso. Vokany, trano hazo roa no kilan’ny afo tanteraka niaraka tamin’ny entana sy fanaka tao anatiny. Voafehy […]
TSELATRA
Nitrangana fifandonana iray indray teo amin’ny fiara 4*4 iray sy bisikileta tetsy amin’ny digue Soavina Atsimondrano, omaly maraina. Noho ny hamafin’ny fifandonana, naratra mafy teo amin’ny lohany ilay lehilahy nitondra bisikileta. Efa nentina notsaboina any amin’ny hopitaly moa ny tenany taorian’ny tranga. Tsy nisy ny aina nafoy. Lehilahy iray, 18 […]




