Tselatra

TSELATRA

Lehilahy tratra namaky trano teny Fenoa­rivo, distrikan’Atsimondrano, afakomaly. Sarona teny aminy ny entana avy nangalariny, toy ny fitaovana fanamafisam-peo. Natao famotorana, nilaza ho avy eny Namon­tana ity lehilahy ity, saingy nisa­fidy hanao ny asa ratsiny teny Fenoarivo. Notanana am-ponja, omaly, ilay lehilahy nahatrarana vola sandoka an-tapitrisany tao amin’ ny kaominina […]

TSELATRA

Lehilahy nihazona vola sandoka mitentina 2 600 000Ar voasambotra tao amin’ny kaominina Anka­dinondry, distrikan’i Tsiroanomandidy, afakomaly. Noka­sainy hatakalo vola tena izy, mitentina 10 000Ar ny 20 000Ar sandoka. Naharay fampitam-baovao momba io tranga io ny zandary. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy sy nanara-maso ny olona voatonona anarana. Tratra tokoa ilay lehilahy tompon’antoka tamin’ny fanapariahana […]

Sombim-baovao

 Norombahin’ny ekipam-pirenena malagasy, nisy an’i Bondy sy i Balôty ary i Lova, ny andiany faha-47 “National Open Top 1000 de Chalon sur Saone”, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana notanterahina tany France, ny alahady lasa teo. Resin’izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 9, ny ekipan’i Laleuf.  Hanomboka rahampitso, […]

 Nivoitra nandritra ny hetsika “Foire pédagogique”, andiany voalohany, tany Toliara, ny maha zava-dehibe ny fanomezan-danja ny famoronana sy ny fahaiza-mamorona ananan’ny mpampianatra hoenti-manavao sy manatsara ny fomba fampianarana. Hampifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny izany. Nisy koa ny fifa­nakalozan-kevitra mahakasika ny zava-misy iainan’ny sehatry ny fanabeazana, namantarana ireo olana sedraina sy nandrosoana […]

Taratry ny kanto

Nisantarana ny « Antsa tononkalo mitety faritra » ny teny amin’ny Akany Avoko Faravohitra. Nitsi­dika ireo ankizy beazina ao, niantso tononkalo ary niresadresaka ireo poeta avy amin’ny Faribolana Sandratra, ny alahady teo. Nitondra fitaovam-pianarana ihany koa hanampiana ireo mpianatra. Hisokatra ny fiofanana « Tremplin madajazzcar 2026 ». Sady fisantarana sahady ny hetsika izy ity, […]