Fahamaizan’ny biraon’ny polisy tany amin’ny kaomisaria Vohemar tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampondra, ny herinandro lasa teo. Tonga nijery ny zava-misy tany an-toerana ny polisim-pirenena, iraky ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, omaly. Tsy maintsy hisy ny fanadihadiana mikasika iny tranga iny, mba hahafantarana ny tomponandraikitra. Iarahan’ny polisy sy ny zandary avy any Sambava […]
Tselatra
TSELATRA
Saron’ny polisim-pirenena tetsy Ambatomalaza Alasora, ny 16 avrily 2026 lasa teo, ny tambajotra, ahitana olona efatra, mampiasa sy manararaotra vehivavy hanatanteraka fihetsika mamoafady amin’ny alalan’ny internet. Amidin’izy ireo 50 dolara amin’ny vahiny ny horonantsary iray manodidina ny 20 minitra. Saingy, 10 dolara ihany no raisin’ireo vehivavy isan-kerinandro. Loharanom-baovao avy amin’ny […]
TSELATRA
Voasambotry ny polisim-pirenena nanomboka ny 11 avrily lasa teo, avokoa ireo jiolahy miisa enina. Nanafika sy niditra an-keriny tao amin’ny hotely iray tany Toamasina, ny 9 febroary 2026 lasa teo. Lasan’izy ireo tamin’izany, ny finday marika iPhone 8 Plus iray, solosaina, vola, firavaka volamena sy ny entana hafa. Naka sary […]
TSELATRA
Kodiaran-droa notaingenan’olon-droa indray nidona mafy tamin’ny kamiao mpitatitra entana, tetsy amin’ny digue Ambohitrimanjaka, omaly hariva tamin’ny 7 ora tany ho any. Nitsirara tamin’ny tany ireo roa lahy nitaingina ilay moto. Tsy nisy nahatsiaro tena izy ireo noho izany. Efa noentina tany amin’ny hopitaly Manara-penitra izy ireo. Mateti-pitranga loatra ny lozam-pifamoivoizana […]
TSELATRA
Lehilahy iray hita faty tetsy amin’ny zaridaina Ankorondrano, ampitan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy, omaly maraina. Efa simba tanteraka ny razana. Nampiakarin’ny fokonolona avy ao anatin’ny tatatra ny nofo mangatsikan’io olona io. Mpamaky trano miisa telo lahy voasambotry ny zandarimaria tao Tsiroanomandidy, omaly. Nandroba lelavola 30 tapitrisa Ar ireo olon-dratsy ireo. Natao […]




