Lehilahy iray, mpitondra moto, maty tsy tra-drano tetsy Ambodimita omaly hariva. Avy aty Antananarivo ilay kodiaran-dro notaingenana olon-droa. Nidona mafy tamin’ny taxi-be, zotra D, nifanena taminy izy ireo. Maty tsy tra-drano nandritra izany ny mpamilin’ilay kodiaran-droa. Tapa-tongotra ilay noentina. Efa nalefa notsaboina any amin’ny hopitaly ilay naratra. Tonga teny an-toerana […]
Tselatra
TSELATRA
Tokantrano iray no may kilan’ny afo tany Ambolomailaka, Toliara II omaly hariva. Nifanampy sy nifarimbona namono ny afo ny fokonolona tany an-toerana. Potika tanteraka nandritra izany, ny entana sy ny vola rehetra tavela tao an-trano. Tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy nandritra ny loza. Fiara 4*4 iray indray […]
TSELATRA
Trano iray nirehitra tampoka vokatry ny fifampikasohan’ny herinaratra teny Ambohimanarina, omaly. Voafehy tao anatin’ny minitra vitsy ny firehetana noho ny fahatongavan’ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina. Tsy nisy aina nafoy. Notanana vonjimaika am-ponja ireo mpiasa roa avy eo anivon’ny orinasa Jirama tao Miarinarivo Itasy, ny 4 avrily teo. Nanome taratasy hosoka […]
TSELATRA
Mirongatra ny fahitana fatin-jazakely menavava tato ho ato. Zaza vao teraka indray no nisy nanary tetsy Ambaniatsimo Tanjombato, omaly. Nataon’ireo tsy mataho-tody tao anaty harona plastika ilay zaza izay efa tsy nisy aina intsony. Nampandrenesina mahakasika ny tranga ny mpitandro filaminana eny an-toerana. Manodidina ny 40 ireo kodiaran-droa (moto sy […]
TSELATRA
Notokanana omaly ny toeram-pitsaboana sy biraon’ny polisy misahana ny fifamoivoizana etsy anivon’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna. Ho fanakaikezana hatrany ny vahoaka sy ho fanatsarana ny tolotra omena azy ireo ny antony. Notokanana ihany koa ny toeram-pivarotana fitafiana amin’ny asa sy kojakoja ho an’ireo polisim-pirenena. Nisy ny fanolorana ireo fotodrafitrasa hafa toy […]




