Tselatra

TSELATRA

Nahiditra vonjimaika am-ponja ireo roa lahy voarohirohy tamin’ny famonoana ho namono nahafaty an-dRazafitiandrazana Olivier, ny alahady lasa teo. Taorian’ny fitsarana natao azy ireo tany Bambous (Maurice), omaly. Niaiky izy ireo fa nanindrona ny fon’io lehilahy tamin’ny tournevis. Hitan’ny polisy nanao ny fisavana io fitaovana io rehefa nokarohina teo amin’io toerana […]

TSELATRA

Trano iray nirehitra tetsy amin’ny tohatohabaton’ Ambondrona, omaly tamin’ny 01 ora tolakandro. Trano tsy misy rihana mitafo fanitso ary afovoan-tanàna io nirehitra io. Tonga teny an-toerana namono sy nifehy ny afo ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina, telo minitra taorian’ny antso. Maty tanteraka ny afo 20mn taty aoriana. Manentana ny […]

TSELATRA

Ravan’ny zandarimaria avy ao amin’ny bori­gadin’Andoharanofotsy ireo tambajotra mpamaky trano sy mpangalatra moto. Nahitana lehilahy efatra niaraka tamin’ireo entana nangalariny sy efa nolokoiny avy. Mpisera finday halatra, mpandoko moto, mpividy halatra ary mpiray tsikombakomba. Nisy namaky ny trano iray tao Andoharanofotsy, ny alin’ny 11 hifoha 12 febroary 2025 lasa teo. […]

TSELATRA

Nosamborin’ny zandary ilay vehivavy nidaroka ny rahavaviny tamin’ny alalan’ny tavoahangin-dabiera teny Ampasapito, afakomaly. Niara-nisotrosotro izy mirahavavy ka nifamaly tampoka. Niafara tamin’ny fikasihan-tanana izany. Novelesin’io vehivavy io avy hatrany ilay zandriny ka voa mafy. Nentina teny anivon’ny mpitsabo ity farany. Atao famotorana kosa ilay nahavanon-doza. Lehilahy malagasy iray maty noleran’ny namany […]

TSELATRA

Mahakasika ny raharaha vaky trano tetsy Ambodiafontsy ny 28 febroary lasa teo, nalefa eny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy ireo lehilahy enina voarohirohy taorian’ny fampanoavana azy ireo tetsy amin’ny fitsarana Anosy, ny zoma alina lasa teo. Raharaha famonoana ny ben’ny Tanànan’i Man­gataboahangy, ny 21 febroary lasa teo. Olona 18 nahiditra am-ponja vonjimaika, […]