Nitrangana fahamaizana teny amin’ny tranon’ny mpianatra, Bloc 4 teo anivon’ny Oniversite Ankatso, omaly. Voafehy fotoana vitsy monja taorian’ny tranga ny afo. Simba ny ankamaroan’ny entan’ireo mpianatra nipetraka tamin’ny efitrano lasibatra. Lehilahy hita faty ka nifatotra rojo vy ny tendany tao Marofototra, Vatomandry, afakomaly. Nataon’ny tomponandraikitra fizahana ny vatana mangatsiakan’io olona […]
Tselatra
TSELATRA
Hita avokoa ny vatana mangatsiakan’ireo zaza mirahalahy kambana, vao telo taona monja, very tany Vatomandry, afakomaly. Hita tao amin’ny reniranon’i Sandramanogny, omaly maraina, ny fatin’ilay zaza voalohany. Ora maro taorian’izay, no hita ny fatin’ilay zaza faharoa.
TSELATRA
Lehilahy iray nandrahona mpivarotra tamin’ny basy kilalao sy antsy maranitra voasambotry ny polisy tetsy Avaradrano, afakomaly. Nahazo angom-baovao tao Andranovelona Sabotsy Namehana ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Kaomisaria foibe Avaradrano. Nandositra ilay lehilahy rehefa nahatsikaritra ny polisy saingy voasambotra tsy lavitra teo. Naiditra vonjimaika am-ponja ny 23 marsa 2026 teo, […]
TSELATRA
Mbola mitohy ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olona mety ho voakasika tamin’ny raharaha Ambohimalaza, nahafatesana olona manodidina ny 36. Hatramin’izao, olona efatra no notanana vonjimaika am-ponja. Anisan’izany ny tompom-pety sy ny reniny. Nahatratra 47 kosa ireo olona nametraka fitoriana eny anivon’ny fitsarana. Vavolombelona 30 no efa nohenoina. Naiditra vonjimaika am-ponja […]
TSELATRA
Zazakely iray vao teraka hitan’ny fokonolonanisy nametraka teo amoron-dalana tany Avaratsena Mahitsy, omaly maraina. Mbola velona soa aman-tsara ilay zaza ary mbola salama ihany koa. Notazomina sy nokarakaraina ao amin’ny fikambanan-dry masera iray eny an-toerana ilay zaza taorian’izay. Efa mitohy ny fikarohana ny ray aman-dreniny ataon’ny tomponandraikitra. Lehilahy iray nisoloky […]




