Nahatratra 150 tapitrisa Ariary ny fatiantoka noho ny fahamaizan’ny tsena sasany ao amin’ny Pochard, afakomaly. Niainga tao amin’ny Box 5 ny afo. Niitatra haingana be izany ka nahazo ireo tsena manodidina azy. Ramatoa iray sahabo ho 40 taona namoy ny ainy teny an-dalana nitondrana azy ho any amin’ny hopitaly Manara-penitra […]
Tselatra
TSELATRA
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, omaly, ny mpamilin’ilay fiarabe nitondra kaontenera nivadika sy nianjera tamin’ny fiaran’olona teny Manjakandriana, izay nahafaty renim-pianakaviana iray sy ny zanany vavy, ny herinandro lasa teo. Lehilahy lehibe iray manodidina ny 60 taona, hita faty tetsy akaikin’ny farmasia Volahanta, omaly hariva. Tonga naka ny razana sy […]
TSELATRA
Lehilahy iray (40 taona) hita faty tao anaty dobon-trondro iray tetsy Fenoarivo, ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 10 ora alina. Lehilahy lehibe iray no henon’ny olona nikotaba sy niteniteny irery tao ivelan’ny tanàna talohan’io. Nampilazaina ny zandary ary hita tao anaty dobo fiompiana trondro iray ny fatiny. Tombanana ho sempotry […]
TSELATRA
Rongony 700kg nodoran’ny mpitandro filaminana tany Antsohihy, omaly. Marihina fa vokatra azo tao anatin’ny telo volana ireo. Sarona tao amin’ny kaominina maromaro, toa an’Ambalafaminty, Ambodimanary ary Antsahabe, ao amin’ny distrikan’Antsohihy avokoa izy rehetra ireo. Lehilahy miisa efatra voasambotry ny Polisim-pirenena tany Mahajanga noho ny heloka samihafa, tamin’ity herinandro ity. Tratra […]
TSELATRA
Vehivavy iray hita faty tao Ambalamanasa, fokontany Andranomainty, kaominina Manakara, omaly. Tsy nisy nahalala azy ny mponina nanatri-maso. Nentina nihazo ny tranom-paty ny vatana mangatsiaka miandry ny fianakaviany. Taxi-be roa nifandona teny Ambohidranomanga, kaominina Imerintsiatosika, omaly maraina. Nandeha mafy ny iray ka tapaka hisatra. Nifatratra tamin’ny fiara iray hafa teo […]




