Nolanian’ireo loholon’i Madagasikara tsy nasiam-panovana, ny zoma teo, ny tolo-dalàna momba ny fiarovana ny olona manana toe-tena varira. Tanjon’ity tolo-dalàna ity ny hanomezana toky ireo olona manana io toe-tena io ny amin’ny zo fiahiana amin’ny lafiny fitantanana, sosialy, fitsarana ary fahasalamana. Fiaraha-miasa tamin’ny Sampana mpamonjy voina avy amin’ny Corse du […]
Tselatra
VAOVAO TAMBATRA
Hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN 31, mampitohy an’Ankazobetsiahy sy Bealanana, faritra Sofia, mirefy 101,6 km. Hitarina sady ho rakofana godirao ity lalana ity. Miisa 28 ny tetezana, ka harenina ny 6 amin’ireo. Hisy koa ny toerana fotodrafitrasa fandanjana fiarabe hatsangana. Miisa 25 000 ny zana-trondro tilapia […]
FANTINA sy FINTINA
Nankasitraka ny rehetra tamin’ny fanotronana sy fanarahana ny fianianana nataony ny filohan’ny Repoblika, tao amin’ny Facebook-ny. “…Nanamarika ny fiainako sy nampihetsi-po ahy manokana iny fotoana iny. Hikatsaka ny soa ho an’ny vahoaka tsy ankanavaka aho”, hoy izy. Nanamafy ny antso efa nataony ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, tao amin’ny […]
TSELATRA
Olona 10 naratra, raha roa miady amin’ny fahafatesana. Io no vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Ihazolava RN 7, omaly maraina. Taksiborosy iray no nifandona tamina fiara R. Kangoo iray. Vokatry ny fandehanana mafy no voalaza fa nahatonga ny loza. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny zandary sady nandefa ireo naratra […]
VAOVAO TAMBATRA
Mahatratra 827 300t ny simenitra namidy teny an-tsena nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2023, izay mitentina hatrany amin’ny 299,6 miliara Ar. Nahitam-piakarany 84 300t ny vokatra nafarana raha oharina tamin’ny taon-dasa, izay manodidina ny 743 000t ka mitetina 271,4 miliara Ar. Mitohy hatrany ny tetikasa hazavao ny elakela-trano ataon’ny orinasa Jirama. […]