Hatao ao Antsirabe, anio ny “Hetsika rodorodon’ny fanambaram-pananana”. Hetsika hampiroboroboana ny fanambaram-pananana, iarahana amin’ny Bianco izany. Anisan’ny hiatrika izany ireo ben’ny Tanàna sy mpiasam-panjakana ary ny eny amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana. Nodimandry teo amin’ny faha-78 taonany, ny Jly Razafimandimby Sylvain. Anisan’ireo manamboninahitra ambony nandamina ny krizin’ny 2001- 2002, niakaran’ny filoha teo […]
Tselatra
TSELATRA
Saron’ny polisy ao Antsiranana afakomaly ireo jiolahy telo ao anatina fikambanan-jiolahy mahery vaika. Mpikambana ao amin’ny vondrona tanora atao hoe Dakar ao amin’ny fokontany Ambalavola ry zalahy ireto. Mampihorohoro ireo tanora ao amin’io fokontany io. Vehivavy iray hita faty teny Ambodivonkely Ambohimanarina, omaly maraina. Ahina ho nisy nanolana izy satria […]
SOMBIM-BAOVAO
Nihintsana teo amin’ny dingana faharoan’ny lalao an’olon-tokana avokoa ireo Malagasy mpilalao tenisy miatrika ny Fifaninanana Afrikanina hatao any Accra Ghana. Tsara marihina fa mbola misy lalao iraisan’olon-droa ho an’ny sokajy lahy sy vavy izay hataon’izy ireo. Tsiahivina fa izay firenena efatra voalohany ihany no manao ny « par équipe ». Mitsahatra kely […]
INDRAY MIJERY
Notokanana, ny herinandro teo, ny efitrano fandidiana voatokana ho an’ny maso ao amin’ny CHU Anosiala. Hanampy betsaka amin’ny fitsaboana maso ao amin’ny hopitaly ny fotodrafitrasa, indrindra ny fandidiana ny areti-maso katarakta. Niarahana tamin’ny Korea University Médecine sy ny ONG Well International ny fanamboarana izany. Hisy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana hataon’ny CHU […]
VAOVAO TAMBATRA
Hanorina ozinina famokarana zezika any amin’ ny faritra enina ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ato anatin’ny 100 andro. Anisan’ny toerana hananganana izany ny any Mahitsy, ho an’ny faritra Analamanga. Tafiditra ao anatin’ny Politikan’ny fanjakana, hampiroboroboana ny indostria ity paikady ity. Niisa 7 653 ny mpitsidika ny hetsika “Tsenaben’ny Fizahantany” […]




