Maty voatifitry ny zandary tao amin’ny borigadin’i Behenjy, omaly, ny jiolahy roa lahy avy nandroba vola 2 000 000 Ar, ny 18 marsa lasa teo. Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana izy ireo ny andron’ny fanafihana saingy tafaporitsaka. Taorian’ny fitsirihana nataon’ny alika mpitsongo dia, izao tra-tehaka sy voatifitra izao izy ireo. Voasambotry ny zandary […]
Tselatra
VAOVAO TAMBATRA
Vita hatrany amin’ny 95%-n’ny asa fanamboarana ny tetezan’i Manambondro, faritra Atsimo Atsinanana. Any amin’ny lalam-pirenena RN12A no ahitana azy, eo amin’ny PK174+150, izay natao “béton”. Namatsy vola ny fanamboarana ny tetezana ny Banky iraisam-pirenena, nataon’ny orinasa Consortium Wietec SDLQ. Hatao ny 27 marsa ho avy izao ny fampiofanana ny fiompiana […]
INDRAY MIJERY
Nanao tatitra ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka nandritra ny fananganan-tsaina ny alatsinainy teo fa tao anatin’ny telo volana voalohany dia efa nahatratra 100 000 ny olona nisitraka ny fanentanana sy tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka manerana ny Nosy. Tafiditra ao anatin’ny vokatra takina ao anatin’ ny 100 andro izany. Mandritra ny 10 […]
SOMBIM-BAOVAO
Nahazo fandresena fahatelo, tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja Motocross indray, i Mathias Plantive ny alahady lasa teo teny Ambohidava. Marihina fa tamin’ity dingana fahefatra ity, mbola i Claudio Tida ihany no laharana faharoa. Araka izany, mbola eo amin’ny laharana voalohany hatrany i Mathias Plantive. Afaka tapa-bolana, hotanterahina […]
TARATRY ny KANTO
IKM Antsahavola – Hanamarika ny andro maneran-tany ho an’ny poezia ihany koa. Satria andro fiasana ny alakamisy 21 marsa, hatao ny takarivan’ny zoma 22 marsa ny fankalazana, ao amin’ity ivokolo ity. Iarahana amin-dry zareo avy ao amin’ny Madagaslam, sampana Antananarivo izany. Malalaka ny fidirana sy ny sehatra, natao hanehoana sy […]




