Notanterahina nanomboka omaly ny lalaon’ olon-tokana, lahy sy vavy, amin’ny taranja tenisy ambony latabatra, ho an’ny “Jeux Africain”. Nihintsana teo amin’ny dingana faha-64 ry Fabio, lehilahy, sy i Fitia, vehivavy. Tsara marihina fa mbola misy ny lalao « double » sy « par équipe » hataon’izy ireo. Hotanterahina manomboka anio, any Lomé Togo, ny […]
Tselatra
INDRAY MIJERY
Nanatanteraka fambolen-kazo tao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza ny fikambanan’ny mpampianatra mpikaroka, ny faran’ny herinandro teo. Fototra iorenan’ny fikarohana ny zavamaniry sy ny biby ka mahatsiaro ho manana adidy amin’izany ireo mpikambana miisa 379. Handray anjara amin’ny fanomezana sakafo ho an’ireo biby ao Tsimbazaza ihany koa izy ireo. Miantsehatra amin’ny fiarovana ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 300 ny salotra vonjy aina nozaraina tamin’ ny mpanjono, avy amin’ny fokontany efatra any Itampolo, distrika Ampanihy Andrefana, faritra Atsimo Andrefana, ny herinandro lasa teo. Avy amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ara-tsakafo (FAO) ireo fitaovana ireo, ary efa nisy koa kojakoja hafa efa nozaraina, toy ny harato, arotava ary tady. Nisokatra […]
TARATRY ny KANTO
Hiresaka ny vehivavy anaty tantara foronina i Mose Njo. Anisan’ireny ny tantara noraketiny anatin’ilay boky “Lisy Mianjoria”. Hatao ny sabotsy 9 marsa izao manomboka amin’ny 8 ora sy sasany, eny amin’ny Sambalia Antsahavola. Fotoana iresahana mivantana amin’ny mpanoratra koa io, ho an’ireo izay efa namaky ilay boky. Tafiditra anatin’ny fanamarihana […]
FANTINA sy FINTINA
Notoloran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, vola ireo fikambanam-behivavy mikarakara ny 8 marsa ao Ambatofinandrahana. Nahazo vola koa ireo kaominina telo andrefan’ny distrika ary ny dorkasy FJKM hanao zaikabe any Antsirabe. Mbola kandidà depiote eny amin’ny boriborintany fahenina, Andriamampandry Todisoa. Hatolotry ny Vovonana Firaisankina : Tim, HVM, APM, Tsara Tahafina, ProSiteny […]




