Tselatra

TSELATRA

Fasana 15 nisy namaky tany Maintirano. Nampandre ny polisy ny sefo fokontany tao Ampasimanondro, distrikan’i Maintirano, omaly maraina tamin’ny 6 ora, fa nahitana vaky fasana tao an-toerana. Nijery ifotony avy hatrany ny polisy ka nanamarina ny tranga. Fantatra fa 15 ny fasana nisy namaky. Nikaroka zava-tsarobidy nampiarahana tamin’ny razana ireo […]

TSELATRA

Olona 12 voasambotra nandritra ny be midina nataon’ny polisy avy ao amin’ny Kaomisaria boriborintany fahatelo, nanomboka afakomaly. Voasambotra noho ny fifohana sy fitazomana zava-mahadomelina ny telo tamin’ireo, noho ny resaka halatra sy sinto-mahery ny efatra, raha noho ny resaka fikambanan-jiolahy ny roa hafa. Noho ny resaka filokana an-dalambe ny vehivavy […]

TSELATRA

Tafakatra 15 ireo olona voasambotra tamin’ny raharaha famonoana ny ben’ny Tanànan’i Mangataboa­hangy hatramin’izao, ka vehivavy ny iray tamin’izy ireo. Efa tonga eto Antananarivo miatrika fanadihadiana izy rehetra amin’izao fotoana izao. Mety hiakatra fitsarana ny alatsinainy 10 marsa izao, raha ny tatitra voaray avy amin’ny zandary misahana ny fanadihadiana. Lehilahy iray […]

TSELATRA

Trano ahitana rihana telo nirehitra tany Vakinankaratra, omaly maraina tamin’ny 9 ora sy sasany. May kilan’ny afo tao ny vola 4 tapitrisa Ariary. Court-circuit ny antony nahatonga ny firehetana raha ny fanazavana voaray. Nanomboka tany amin’ny rihana fahatelo ny afo. Simba avokoa ny entana rehetra tao amin’io trano io. Vata […]

TSELATRA

Vehivavy iray tratran’ny fokonolona saika hangala-jaza tao akaikin’ny Stadium Barikadimy, omaly maraina. Niatomboka tamin’ny fangalarana ny kavin’io zaza 6 taona io izany, ka tsikaritry ny olona. Tezitra ireo nahita maso ka saika hamono hahafaty azy. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nisambotra io vehivavy io. Efa tazomina sy hanaovana famotorana […]