Vehivavy roa efa renim-pianakaviana tra-tehaky ny mpitandro filaminana nangarom-paosy teny Anatihazo Isotry, ny marain’ny alakamisy 12 marsa lasa teo. Miandry ireo mpiangona avy mivavaka maraina izy roa vavy. Matetika naharay fitarainana ny polisy ka nanao paikady manokana hanatrarana ireo olon-dratsy. Noraisim-potsiny teo am-panatontosana ny asa ratsiny izy roa vavy. Ankizivavy […]
Tselatra
TSELATRA
Lehilahy iray voasambotry ny polisy tetsy Ambohidahy, ny alakamisy 12 marsa 2026, lasa teo. Tratra nangalatra sy nanimba fananana iombonana teny an-toerana izy io. Nongotan’ity lehilahy ity tamin’ny andro atoandro, ny sarona dalle iray tetsy Ambohidahy. Tratran’ny polisy izy ka nosamborina avy hatrany. Efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy […]
TSELATRA
Olona telo voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP 3 Antaninandro nanomboka ny 8, 9 ary 10 marsa lasa teo. Voarohohorohy tamin’ny resaka halatra izy ireo. Voasambotra tao Mahavoky, nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy, ny alin’ny 08 marsa 2026, lasa teo ny iray. Tratra nangalatra moto teny Mahavoky Besarety, ny 09 […]
TSELATRA
Nidina an-dalambe nanao fitokonana sy nandoro kodiarana indray ny mpianatra Ankatso, omaly. Tsy nanaiky ny fifanarahana sy mangataka ny fialan’ny talen’ny Croua ny anton’ny fitakiana. Tsy nisy ny fanakanana nataon’ny mpitandro filaminana ny hetsika. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Vehivavy iray, manodidina ny 40 taona, maty an-drano, tao Antanifotsy, omaly. Mbola […]
TSELATRA
Nitokona sady nandoro kodiarana ny mponina teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra mampitohy an’Ivato, omaly maraina. Mitaky ny handraisan’ny fitondram-panjakana andraikitra hisorohana ny loza isan’andro amin’iny lalana iny izy ireo. Lehilahy mpanao sinto-mahery nosamborin’ ny polisy teny Ambodin’Isotry, afakomaly. Kavina volamena teny an-tsofin’olona nandalo no nalain’io lehilahy io. Tratra taorian’ny fanenjehana azy […]




