Tselatra

INDRAY MIJERY

Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny LTP Toamasina sy ny Campus La Châtaigneraie Coo­pération Normandie, nisitraka fampitaovana toy ny “outillages” sy “chambre froide” ny LTP Toamasina. Noraisan’ny talem-paritry ny ETFP Atsinanana, So­lofomanana Jimmy, izany. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ao amin’ny faritra. Haharitra enina andro, […]

TARATRY ny KANTO

“Tour’nao”. Lasan’Indiamahery ny amboaran’ny fifaninanana « Tour’nao ». Ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Aft Andavamamba, no nanaovana ny dingan’ny famaranana. Fifaninanana “Slam” ho an’ireo sangany izy ity, ary niisa enina izy ireo no nifaninana tamin’izany. “Zébu d’Or”. Voahosotra ho mpandresin’ny fifaninanana nasionaly, nandritra ny “Madagascourt Film Festival” andiany faha 18, Andriamanantsoa […]

FANTINA sy FINTINA

Mitaky ny hisian’ny dinika ny Vondrona eoropeanina mba hanokafan’ny fitondrana varavarana hifampiresahana na efa lany aza ny filoha vaovao. “Tena ilaina ny fitoniana mialoha ny fifidianana depiote sy ben’ny Tanàna manaraka”, hoy Isabelle Delattre. Anisan’ny nanatrika ny fianianan’ny filoha Rajoelina teny Mahamasina, ny kandidà, Radera­niaina Sendrison. Teo koa ny kandidà […]

TSELATRA

Fiara tsy mataho-dalana nivadika anaty tanimbary, tetsy Ampitatafika, afakomaly atoandro. Zaza­kely iray voalaza fa naratra mafy ka voatery naiditra hopitaly niaraka amin’ireo olon-dehibe sasantsasany tao anaty fiara. Fandehanana mafy no niteraka ny loza. Mpisoloky telo vavy voasambotry ny zandary tetsy Ambohimangakely, ny zoma 15 desambra teo. Mody mivarotra tany amin’ireo […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina, omaly, tany Zimbabwe Harare, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “Cosafa School U-15”, taranja baolina kitra. Nomon­tsanin’i Afrika Atsimo tamin’ny isa mavesatra 8 no ho 0 ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy vehivavy. Nanao ady sahala 0 no ho 0 ny sokajy lehilahy. Miisa enina ireo klioba frantsay mbola manohy […]