Hisy ny « Fandiovana » sy « Saotra », hatao any amin’ny Lapa valo sy fihasignana 12, any Ambohinatao, Ambohimiarinkova Iharagnarivo, kaominina Sahave, distrikan’Ambohimasoa. Ny zoma 22 marsa izao no daty voatondro ho an’ity fomba nentim-paharazana ity, any an-toerana. Olona maro no manatrika izany isan-taona, ka misy ireo avy monina lavitra no manokana fotoana […]
Tselatra
FANTINA sy FINTINA
Nodimandry omaly, teto Antananarivo, ny mpandrindra ny Antoko MMM, miandraikitra ny faritra Amoron’i Mania, ny maître Maminirina Josoa Eugène. Efa lehiben’ny Faritra tany an-toerana, nandritra ny fitondrana tetezamita, ny taona 2009 hatramin’ny 2013 izy. Higadona anio maraina any Ambositra ny vatana mangatsiakany. Anisan’ireo kandidà ho filohan’ny vaomieran’ ny Vondrona Afrikanina […]
TSELATRA
Naiditra am-ponja vonjimaika ilay jiolahy tratran’ny polisy teny Ambohitrarahaba. Malaza ratsy amin’ny fanendahana miharo vonoan’olona amin’iny faritra Avaradrano iny ity jiolahy ity ka nahatonga ny polisy nanao hetsika mba hahafahana misambotra azy. Lehilahy iray handeha hody no nifanehatra taminy. Renim-pianakaviana iray nendahin’ny mpanera amin’ireny taxi-be ireny, teny Anosibe, omaly. Mody […]
INDRAY MIJERY
Miisa 27 ireo Cisco nampiofanana ireo mpampiofana mahakasika ny «pratique de cours de remédiation». Tanjona ny hanatsarana ny taham-pisondrotana kilasy eny amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra sy ho fampirisihana ary fampandraisana andraikitra amin’ireo ambaratongam-pitantanana eny amin’ny sekoly. Nisy ny hetsika fandidiana hernie maimaimpoana notanterahin’ny CHU HJRA, ny herinandro teo. 16 ireo […]
Sombim-baovao
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Toamasina, ny fifaninanana “Tama Beach Volley”. Norombahin’ny ekipan’Analamanga ny amboara teo amin’ny sokajy Seniors. Ekipan’Atsinanana kosa no nandrombaka teo amin’ny sokajy U20, lehilahy. Niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Echecs olon-tokana, ny faran’ny herinandro teo, any Ghana, Rakotomaharo Fy sy Aina Tsinjoviniavo. […]




