Fadio ny mampiasa akora simba sy efa lany daty rehefa mikarakara sakafo. Arovy amin’ny vovoka sy hafanana ny sakafo mora simba toy ny hazandrano sy ny vokatra azo avy amin’ny ronono sy ny maionezy. Mampiasa vitrine madio sy misarona tsara. Raisina amin’ ny sotro rovitra na pince ny sakafo fa […]
Tselatra
TARATRY ny KANTO
“Ndao hifety” – Tyfu Amboditsiry. “Men’s Night Show”, hisongadinan’ireo lehilahy mpanatalenta mazava loatra, ity hotontosaina anio, manomboka amin’ny 8 ora alina ity. Hiray tsikombakomba mba hampiavaka izany i Fidy Dibl, Rado Manantsoa ary i Poon eo amin’ny feo, hampian-dry Fy Rajaofetra (vata maroafitsoka), Houzefa (gitara beso) ary i Bolo Rakoto […]
SOMBIM-BAOVAO
Misongadina tanteraka ireo Malagasy mpilalao baolina kitra mila ravinahitra any amin’ny Nosy Seychelles. Anisan’ireo mpampiditra baolina betsaka indrindra amin’izao fotoana izao, i Coka. Miisa 13 ny baolina tafiditr’ity Malagasy lohalaharan’ny Real Maldive ity. Marihina fa anisan’ireo nibata ny amboaran’ny filoha, tamin’ity taona ity, ny Coka. Voasazy tsy afaka milalao amin’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy ho avy eny Mahamasina na nahazo fanasana aza ny depiote Tim, amin’ny fiainianan’ny filohan’ny Repoblika. “Efa tsy nankato ny fifidianana natao amboletra izahay”, hoy izy ireo. Ny HVM kosa tsy mbola nahazo fanasana, saingy efa nisafidy ny tsy ho avy. Hanomboka anio, ny fialantsasatry ny fitsarana ary hiverina hiasa […]
TSELATRA
Tratra nifoka rongony tao amin’ny faritry ny Rovan’Ambohimanga ny jiolahy telo, afakomaly. Monina eny Vinany, kaominina Itaosy, ry zalahy ireto saingy izao lasa nifoka zava-mahadomelina tany Ambohimanga izao. Ny tomponandraikitry ny Rova no nahatsikaritra ny fandikan-dalàna nataon’izy telo lahy, niantso zandary avy hatrany. Maro ny rongony efa nofohan’izy ireo. Mbola […]