Tselatra

TARATRY ny KANTO

Zandry Gasy eny amin’ny No Comment Bar Isoraka. Taorian’ilay seho lehibe voalohany ny 3 marsa teo, manome fotoana ireo mpankafy indray ry zalahy anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Sehatra ho an’ny ba gasy sy ny hira vokatry ny tany indray ny ao amin’ity toerana efa mahazatra ireo mpankafy mozika […]

INDRAY MIJERY

Noraisin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely, teo Ambohidahy ny talem-paritry ny UNFPA aty amin’ny faritra ilany Atsimo Atsinanan’i Afrika, Lydia Zigomo. Niompana tamin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta. Vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao ka ho betsaka ny asa iarahana eo amin’ny minisitera sy ny UNFPA. […]

VAOVAO TAMBATRA

Nandray ireo mpianatra ho injeniera ao amin’ny sampana Taotrano sy Asa vaventy eny amin’ny sekoly ambony Politeknika Vontovorona ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja, omaly. Anisan’ny nangatahan’ireto mpianatra taona fahaefatra ireto tamin’ny minisitra ny ho mpiahy ny andiany faha-51. Miisa 90.000 ny fototra kafe antitra notapahana mba […]

TSELATRA

Tratran’ny polisy tao Toamasina, afakomaly ireo roa lahy tompon’antoka tamina halatra moto. Polisy iray nisahana ny fifamoivoizana no nahita lehilahy iray nampiakatra moto tamina cyclo-pousse, ka niroso tamin’ny famotorana avy hatrany. Fantatra tamin’izany fa moto halatra io nen­tin’izy ireo io. Jiolahy mpamerin-keloka amina halatra moto ireto tratran’ny polisy ireto. Ramatoabe […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 17 marsa ho avy izao ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ligin’i Sofia, taranja baolina kitra, diviziona faharoa. Ireto avy ireo toerana efatra andraisana izany, ny kianjan’Analalava, Antsohihy, Port-Berge ary i Mampikony. Notontosaina ny 9 sy 10 marsa lasa teo ny lalao savaranonando amin’ny fiadiana ny amboaran’i […]