Tselatra

TSELATRA

Avotra soa aman-tsara afakomaly ilay zaza varira nalain’ny dahalo an-keriny volana maromaro tao Maroalika, fokontany Morarano, kaominina am­ba­ni­vo­hitr’ Ankilizato. Nisy ny fiaraha-mientana teo amin’ny zandary sy ny kalony ka niafara tamin’ny fahazoana ity zazakely ity teny am-pelatanan’ireo malaso. Tratry ny vela-pandriky ny zandary ireo mpamaky trano sy mpivarotra halatra amin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Laharana fahefatra Andriambololona Zo Hajanirina, solontena malagasy niatrika ny fifaninanana « Open d’Afrique », taranja judo, tany Dakar, ny alahady 12 novambra teo. Tsy niakatra « podium » izy saingy nahazo traikefa lehibe nandritra ity fifaninanana ity, araka ny namba­rany. Hanatanteraka fihaonambe ny mpisehatra sy mpankafy ny taranja volley, ny zoma 8 desambra izao. […]

TARATRY ny KANTO

«Festival Sar’nao». Amperiny tanteraka ny « Festival Sar’nao » andiany faha-14 ankehitriny. An­koatra ny fampirantiana, misy ihany koa ny atrikasa momba ny varotra ana habaka, atao anio, eny amin’ny Aft Andavamamba. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, efa miara-miaina amin’ny haitao ara-kajy mirindra isika ka ilaina ny mahafehy izany. « Diary Nofy ». Tanterahina rahampitso, eny […]

INDRAY MIJERY

Hanatanteraka fisoratam-panambadiana faobe ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga, ny alakamisy 14 desambra izao, ao amin’ny Lapan’ny tanàna. Manentana ireo mpifankatia vonona hiroso amin’ny fanambadiana hampanara-dalàna ny tokantrano ny fiadidiana ny Tanàna. Tanjona ny ialana amin’ny tokantrano imaso. Tsy marin-toerana ny atmosfera ho an’ny telo andro manaraka eto Madagasikara. Hisy, araka izany, […]

VAOVAO TAMBATRA

Tonga, omaly, tany Ihosy, ny milina mamokatra herinaratra 400 KW. Niaina sy niaritra ny fahatapahan-jiro ny mponina any an-toerana nandritra ny telo volana. Niezaka nitady vahaolana ny Jirama sy ny fanjakana foibe, ka izao voavaha izao ny olana. Ho avy tsy ho ela koa ny milina ho an’i Sakaraha. Haharitra […]