Lehilahy nangalatra moto miisa roa voasambotra tao Ambohitrarahaba, afakomaly. Nanamafy ny fanaraha-maso teny amin’ny manodidina noho ny firongatry ny halatra moto tato ho ato ny polisy. Nitondra kojakojana moto io lehilahy io ary nampiahiahy ny fihetsiny. Noraisim-potsiny taorian’ny fanadihadiana azy ity lehilahy ity. Tranombarotra iray lasibatry ny fandrobana tao Ambalampa, […]
Tselatra
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina ny 22 sy ny 25 marsa ho avy izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lalao ara-pirahalahiana hataon’ny Barea de Madagascar. Hanokatra izany ny fihaonan’ny ekipa nasionaly malagasy amin’i Burundi ary ny farany, hifanandrina amin’i Rwanda izy ireo. Hikarakara fifaninanana nasionaly amin’ny taranja baolina kitra lalaovina anaty trano « Futsal » […]
VAOVAO TAMBATRA
Maro ny vehivavy mitana andraikitra ambony eo amin’ny sehatry ny asa vaventy. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa momba ny Tetikasa fampandrosoana maharitra ny sehatry ny lalana (PDDR) sy ny Fampitohizana ny rohy hisian’ny fampandrosoana miaty (PCMCI), tohanan’ny Banky iraisam-pirenena. Anisan’ny nisongadina ny 8 marsa, omaly, tany Toamasina, ny fampirantiana ny […]
INDRAY MIJERY
Velon-taraina ireo mpianatra nivoaka tao amin’ny IFIRP, taona 2020 hatramin’ny taona 2022, fa tsy mbola nisy voaray ho mpiasam-panjakana raikitra hatramin’ izao. Miisa 1 400 izy ireo ary lasa miasa amina hopitaly tsy miankina kanefa miandrandra ny fandraisan’ny fanjakana azy ireo. Natolotra tamin’ity herinandro ity ny fitaovana niomerika ho an’ny […]
TARATRY ny KANTO
« Fitia maroloko », hozarain’ny Tropy Jeanette. Fampisehoana hira teatraly, notsoingaina tao anatin’ ireo tantara klasika nanana ny lazany, nolalaovin’ny tropy hatramin’izay, ity hatao rahampitso, etsy amin’ny IFM Analakely ity. Tafiditra anatin’ny hetsika «Temps Fort Théatre» ka anasany ny tropy zokiny indrindra eto Madagasikara mba handray anjara. « Tsidika fokotany […]




