Tselatra

INDRAY MIJERY

Nandray anjara tamin’ny fivoriana ara-potoana nokarakarain’ny OIT tao amin’ny Foibe iraisam-pirenena momba ny asa any Turin, Italia, ny Akademia momba ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra malagasy. Manome fitaovana sy fomba fanofanana mikendry ny hampiroborobo ny asa mendrika eo amin’ny toekarena eny ambanivohitra ho amin’ny fampandrosoana maharitra ny Akademia. Niofana mahakasika […]

TARATRY ny KANTO

Hamarana ny andian-tseho any Frantsa i Poopy. Efa tamin’ny volana oktobra no nihazo an’i Frantsa ny tarika. Seho maromaro no nomanin-dry Poopy, tontosa avokoa izany. Nahazo tombony aza ireo tsy mbola nahita, satria mbola misy seho faradoboka ny sabotsy 9 desambra izao, ao amin’ny Lapa Event, Paris. Hisy ny voandalana […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitohy ny fanarenana ny tetezam-by any Mangapaika, PK 505, RN.4. Efa nisy ny toromarika nomena ny mpampiasa lalana amin’izany fanamboarana izany, saingy nisisika niditra ihany ny kamiao iray. Efa nesorina io fiarabe io, ary efa miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana, nanomboka omaly 6 desambra. Nisitraka masomboly vary an-drano 1512 kg […]

TSELATRA

Voasambotry ny polisy ny lehilahy nihazona basy vita gasy tao amin’ny fokontany Ambalakida, distrikan’Antsohihy, afakomaly. Mpitandro filaminana nanao fisafoana amin’ny alina no nahasarona azy. Nohazomina vonjimaika io lehilahy io ary atolotra ny fampanoavana tsy ho ela. Dahalo nikasa hangalatr’omby matin’ny fitsaram-bahoaka tao Faliarivo, fokontany Ambalafeno, kaominina ambanivohitra Fidirana, distrikan’i Mandoto, […]

VAOVAO TAMBATRA

Hiverina hisokatra ny zotra an-dalamby mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe (TA) rehefa nikatona nandritra ny efa-taona. Niainga teo amin’ny garan’i Soanierana omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy 20 minitra ny “draisine” ampiasaina amin’ny asa fanamboarana atao ary tonga tao Antsirabe tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro. Hivelatra […]