Tokony ho voatendry amin’ity volana ity ireo sekreteram-panjakana, araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny Prezidansa. Efa nisy ny sasany amin’ireo kandidà 800 latsaka, nataon’ny filoham-pirenena tombana, ankoatra ireo mbola mandalo sivana, eo anatrehan’ilay kabinetra manokana misahana izany. Hanala baraka eo amin’ny iraisam-pirenena ny famosirana ireo mpanolana, araka ny nambaran’ny Dr Rafaralahimalala […]
Tselatra
TSELATRA
Renim-pianakaviana iray nifamaly tamin’ny vadiny nijanona fo tampoka ka namoy ny ainy tao Ankirihiry Toamasina, omaly. Niezaka nitondra azy teny amin’ny hopitaly ireo manodidina saingy tsy tana ny ainy. Niteraka fitohanan’ny fiara nandritra ny ora iray ny lozam-pifamoivoizana niseho teny amin’ny RN4 hiditra ny tanànan’i Mahitsy, ny alahady 3 marsa […]
SOMBIM-BAOVAO
Notanterahina nanomboka omaly ny lalaon’ olon-tokana, lahy sy vavy, amin’ny taranja tenisy ambony latabatra, ho an’ny “Jeux Africain”. Nihintsana teo amin’ny dingana faha-64 ry Fabio, lehilahy, sy i Fitia, vehivavy. Tsara marihina fa mbola misy ny lalao « double » sy « par équipe » hataon’izy ireo. Hotanterahina manomboka anio, any Lomé Togo, ny […]
INDRAY MIJERY
Nanatanteraka fambolen-kazo tao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza ny fikambanan’ny mpampianatra mpikaroka, ny faran’ny herinandro teo. Fototra iorenan’ny fikarohana ny zavamaniry sy ny biby ka mahatsiaro ho manana adidy amin’izany ireo mpikambana miisa 379. Handray anjara amin’ny fanomezana sakafo ho an’ireo biby ao Tsimbazaza ihany koa izy ireo. Miantsehatra amin’ny fiarovana ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 300 ny salotra vonjy aina nozaraina tamin’ ny mpanjono, avy amin’ny fokontany efatra any Itampolo, distrika Ampanihy Andrefana, faritra Atsimo Andrefana, ny herinandro lasa teo. Avy amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ara-tsakafo (FAO) ireo fitaovana ireo, ary efa nisy koa kojakoja hafa efa nozaraina, toy ny harato, arotava ary tady. Nisokatra […]




