Tselatra

TARATRY ny KANTO

Hiresaka ny vehivavy anaty tantara foronina i Mose Njo. Anisan’ireny ny tantara noraketiny anatin’ilay boky “Lisy Mianjoria”. Hatao ny sabotsy 9 marsa izao manomboka amin’ny 8 ora sy sasany, eny amin’ny Sambalia Antsahavola. Fotoana iresahana mivantana amin’ny mpanoratra koa io, ho an’ireo izay efa namaky ilay boky. Tafiditra anatin’ny fanamarihana […]

FANTINA sy FINTINA

Notoloran’ny filohan’ny Antenimieram­pi­renena, Razanamahasoa Christine, vola ireo fikambanam-behivavy mikarakara ny 8 marsa ao Am­ba­tofinandrahana. Nahazo vola koa ireo kaominina telo andrefan’ny distrika ary ny dorkasy FJKM hanao zaikabe any Antsirabe. Mbola kandidà depiote eny amin’ny boriborintany fahenina, Andriamampandry Todisoa. Hatolotry ny Vovonana Firaisankina : Tim, HVM, APM, Tsara Tahafina, ProSiteny […]

TSELATRA

Rongony 60 fototra sy zanany anaty tavim-boninkazo no saron’ny zandary tao Befanitso, fokontany Morarivo, kaominina ambanivohitr’i Miandrarivo, Tsiroa­nomandidy, afakomaly. Tratra ihany koa ireo roa lahy mpiandry saha. Efa niditra am-ponja noho ny fambolena rongony ny tompon’ity sahan-drongony ity, ny marsa 2023, saingy niverina nanohy ny asa ratsiny indray rehefa tafavoaka […]

VAOVAO TAMBATRA

Niisa 9 ny mpiofana mahakasika ny fiompiana trondro, tany amin’ny kaominina Antsakoabe, distrika Antsiranana II, faritra Diana, ny 29 febroary teo. Tany lonaka mamokatra sady ahitana farihy tsy mety ritra miisa 10 any Antsakoabe no nojerena ny ahafahan’ny mponina manajary izany. Miisa 44 kosa ny mpiofana tany Beraketa, distrika Bekily, […]

INDRAY MIJERY

Mamarana ny asa fananganana ny tobin’ny mpamonjy voina ao amin’ny oniversiten’Antananarivo ny orinasa miandraikitra izany amin’izao fotoana izao. Fiaraha-miasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny oniversite no ahafahana manao ny asa miaraka amin’ny Pnud. Tanjona ny hahafahana mifehy ny afo haingana raha sanatria misy firehetana eny an-toerana. Zana-kazo ananambo, baobab, kily, […]