Sarahina amin’ny distrikan’Ambovombe ny distrikan’Antanimora Atsimo, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha. Mifototra amin’ny fepetra ara-jeografika, toy ny fahalaviran-toerana sy fitokana-monina ny fanadihadian’ny minisiteran’ny Atitany amin’izany. Eo koa ny fepetra momba ny fitoviana ara-toekarena sy sosialy ary kolontsaina. Maromaro ireo fanendrena prefet sy sefo distrika tamin’ny filankevitry […]
Tselatra
SOMBIM-BAOVAO
Notanterahina, omaly, teny Ampefiloha, ny fampianarana fanatanjahantena ho an’ny mpianatra an-tsekoly, nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Taranja efatra no nampianarina an’ireo mpianatra, nahitana ny Teqbal, badminton, escrime ary baolina lavalava an-tsekoly. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy 9 Marsa izao, ny andiany faha-10 amin’ny fifaninanana Smatchin, taranja basikety. Efa […]
INDRAY MIJERY
Mpianatra manodidina ny 200 no nisitraka fanentanana amin’ny « fandrindrana ny fiainana ara-pananahana » ho an’ny tanora ao amin’ny oniversiten’ Analanjirofo. Tanjona ny mpianatra lavitry ny vohoka tsy nirina sy mandray an-tanana ny hoaviny ary mahavita ny fianarany hatramin’ny farany. Iarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izany. Hitohy ny fanaraha-maso […]
TARATRY ny KANTO
Hivoaka ny faran’ny volana marsa 2024, ny boky «Ny valamparihin’i Bebe», nosaratan’ Andrianimerina Hobiana ary sary nataon’i Max Razafindrainibe. Ankoatra ny maha asa soratra fanabeazana azy, tantaran’olona niaina tamin’ny taona 1947 no navoitra ao anatin’ity boky ity. Nampahafantarina, omaly, teny amin’ny Kudeta Anosy, ny hetsika « Run Mada», hetsika ara-javakanto maroloko, […]
vaovao tambatra
Hotanterahina ny 20-23 jona eny amin’ny CCI Ivato ny International handicraft fair Madagascar na ny varotra fampirantiana iraisam-pirenena ho an’ny asa-tanàna. Hetsika entina hampihaonana ireo mpanao asa tanana, mpamorona sy ireo mpividy-mpivarotra ny vokatra eo amin’ny sehatra anatiny sy iraisam-pirenena Nisokatra ny talata teo ny tsena voara-maso ho an’ny kakao […]




