Voasambotry ny zandary ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamina halatra varavarana amina tranon’olona iray eny Tsaramanga Tsiafahy, afakomaly. Tratra teny amin’izy ireo koa ny fitaovana fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny. Maro ireo tranon’olona very varavarana amin’iny faritra iny, raha ny fanazavan’ny zandary. Tratra teo am-panongotana jiro manazava ny tanàna ao […]
Tselatra
SOMBIM-BAOVAO
Ny alahady lasa teo, naneho ny heviny mahakasika ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, Rakotomalala Njiva, Malagasy lohalaharana Barea. Nanazava ny fahitany ny mpilalao sy ny lalao roa natrehan’izy ireo, nandritra ny andro voalohany sy faharoa, ny ady tapakilan’ny “Mondial 2026”, ny tenany tamin’izany. Tonga nanotrona ny fifaninanana « Grand Tournoi d’Antananarivo […]
INDRAY MIJERY
Fampahafantarana ireo ray aman-dreny sy ny mpianatra ny zon’ny olona manana fahasembanana no nanamarihan’ny Akanin’ny marenina (Akama) ny andron’ny olona manana fahasembanana. Niarahana tamin’ny tetikasa “Kolohay”, misehatra amin’ny fanabeazana mampiaty sy ny CBM ny hetsika. Mafy kokoa ny fanamby atrehin’ny ankizy manana fahasembanana manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, hoy ny Unicef. Ilaina […]
VAOVAO TAMBATRA
Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ ny minisiteran’ny Fambolena (Minae) sy ny mpandraharaha amin’ny mikraofinansa (IMF). Anisan’izany ny Cecam, ny Smmec, ny PAMF, ny Vola Mahasoa ary ny NIM. Hatsangana koa ny sompitra iombonana eny ifotony, hitahirizana ny vokatry ny tantsaha. Feno 35 taona amin’ity taona ity ny Sekolim-pirenena […]
TARATRY ny KANTO
Hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza, ny « Andro Régis Rajemisa-Raolison ». Lohahevitra amin’izany ny « Régis Rajemisa-Raolison, (1913-1990) : oloben’ny teny, ny literatiora, ny kolontsaina malagasy ary ny fampianarana sy ny fanabeazana ». Hetsika hotanterahina ny alakamisy 7 desambra, manomboka amin’ny 9 ora maraina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny hisian’ny velakevitra miisa 5 […]