Tselatra

FANTINA sy FINTINA

Nifarana ny fotoam-piasan’ireo eo anivon’ ny biraon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM). Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanan­tenasoa Landy Mbolatiana, filoha lefitra fa hatao anio, ny famindram-pahefana ho an’ny birao vaovao. Namory ireo mpanao politika sasany, Ravalo­manana Marc, omaly. « Tsy ny toerana na ny voninahitra no tadiavintsika fa ny fanavotana ny […]

TSELATRA

Lehilahy iray tsy nisy loha indray no hitan’ny fokonolona tao Ilakaka, afakomaly tolakandro. Efa ho telo herinandro io lehilahy io no novonoina raha ny voka-pitiliana nataon’ny mpitsabo. Potika tanteraka ny razana saingy hany sisa namantarana azy ny kara-panondro teny aminy. Mpisandoka ho kalanoro roa lahy voasambotry ny fokonolona tao Andapa, […]

VAOVAO tambatrra

Miisa 73 ireo nahazo fahazoan-dalana hanondrana jirofo ho amin’ny taom-panondranana 2023-2024. Marihina fa tafakatra 40 000t ny vokatra naondran’i Madagasikara raha 25 000t talo­han’izay. Nahatratra 224 tapitrisa dolara ny vola azo tamin’ity vokatra ity. Zana-trondro tilapia 5 381 no narotsaka ao amin’ny reniranon’Ihosy, mandalo ao amin’ny fokontany Mahiafia, kaomina Ambanivohitra […]

INDRAY MIJERY

Hisongadina ny fiakaran’ny maripana ambony indrindra any amin’ny atitanin’ny faritr’i Menabe sy Atsimo Andrefana ary ny ilany andrefan’ny faritra Sofia, manomboka anio. Entanina hatrany koa ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka atsimo-andrefana, atsinanana, atsimon’ny Nosy ho mailo fa misy ny alondrano avy atsimo-atsinanana, Hahery ny ranomasina ka hahatratra 3m ny haavon’ny […]

Sombim-baovao

Norombahan’i Allemagne ny amboara maneran-tany, taranja baolina kitra, “Mondial U17 2023”. Lavon’izy ireo teo amin’ny fandakana “tirs au but” ny zandrikelin’ny Les Bleus. Marihina fa nahintsan’i Argentine tamin’ny tirs au but ihany koa i France nandritra ny famaranana ny “Mondial 2022”, natao tany Qatar. Nitsidika ny klioba Ajesaia, izay mitaiza […]