Tselatra

FANTINA sy FINTINA

Nidina an-dalambe nanentana ny rehetra hampaneno sarom-bilany sy kiririoka ny Hetsiky ny firaisamonim-pirenena, omaly tamin’ny 12 ora atoandro, teto an-drenivohitra. Nambaran’izy ireo fa fanehoana antso sy taraina izany. Hitohy etsy Antsonjombe indray ny hetsiky ny kandidà 10, anio. Tsy hisy ny diabe tahaka ny mahazatra fa hifamotoana avy hatrany eny […]

Tselatra

  Naratra mafy ny mpitondra bisikileta iray nofaohin’ny fiara 4×4 teny Ampitatafika, omaly maraina. Tao anatin’ny fotoana fandehanan’ireo fiara ho famahana ny fitohanan’ny fiara niainga avy any Ampitatafika mivoaka ny tetezan’Anosizato no nitranga ny loza. Nirimorimo nandeha mafy ireo fiara ka voafaoka ilay mpandeha bisikileta. Potika ny bisikileta raha nentina […]

VAOVAO TAMBATRA

Manomboka ny fanarenana ny tsena maitso etsy Behoririrka, taorian’ilay fahavoazana niseho ny zoma teo. Hanamora ny fikirakirana ny atontan-taratasin’ireo mpivarotra ihany koa ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana hanampiana azy ireo. Tsiahivina fa amina tapitrisa maro no kilan’ny afo tamin’ity voina niseho ity. Mahatratra 20 […]

INDRAY MIJERY

Ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, misahana ny paikady amin’ny fitantanana ny akora simika ao Ampandrianomby, varavarana faha-115 no ahazoana ny fanazavana momba ny firamainty. Sampan­draharaha mahakasika ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana ao Tsaralalana, varavarana faha-141 ihany koa afaka manome torohevitra. Nanova endrika ny tanànan’i Tsiroanomandi­dy […]

SOMBIM-BAOVAO

Hankalazaina rahampitso sabotsy 27 oktobra izao ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Judo. Tsy diso anjara amin’izany fankalazana izany i Mada­gasikara ka hisy ny hetsika hanamarihana izany etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Hisy ny fampivondronana ireo Malagasy Judokas amin’ny sokajy rehetra amin’io fotoana io. « Karate Analamanga ». Hatao ny 4 novambra izao ny […]