Tselatra

SOMBIM-BAOVAO

Tsy afaka ny hilalao amin’ity taom-pilalaovana 2023-2024 ity intsony i Gavi, espaniola mpilalao baolina kitra noho ny ratra nahazo azy. Raha ny fantatra, misy ratra eo amin’ny lohaliny «rupture du ligament croisé antérieur du genou». Haharitra fito hatramin’ny sivy volana eo ny fitsaboana azy. Taorian’ireo resaka mandeha tao anaty tambajotran-tserasera […]

INDRAY MIJERY

Hanao fivoriana ny mpikamban’ny sendikàn’ ny mpampianatra mpikaroka (Seces) sy ireo mpikaroka rehetra eto Antananarivo, eny amin’ny onivesite Ankatso, anio. Lahadinika ny fanapahan’ny fanjakana ny karaman’ireo mpitarika ny hetsika sendikàly. Efa nanapa-kevitra fa hamarana ny taom-pianarana saingy tsy mbola namaritra tetiandro hanombohana izy ireo. 47 ny onjam-peo miara-miasa amin’ny Studio […]

VAOVAO TAMBATRA

Misanda 4 797 Ar ny 1 euro, raha 4 470 Ar ny 1 dolara, omaly 20 novambra. Niakatra kely ny lanjan’ny euro satria 4 713 Ar ny sandany ny 30 okrobra teo. Nidina kely kosa ny dolara, satria nahatratra 4 503 Ar tamin’ny 20 oktobra lasa teo. Manodidina ny 3 […]

TARATRY ny KANTO

« Onjam-po amperin’asa ». Antsan-tonononkalo Faribolana Sandratra hataon’ireo mpanentana sy mpamokatra fandaharana ao amin’ny radio. Seho hotanterahina ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy, amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina. Hifarimbona amin’izany i Mi Ramanitra, Nanja R, Griffine Bakoliniaina, Ony Miha­ja­nirina, Meva, ary i Miah Rabeson. Mitohy hatrany ny dian’ny Tarika Jeneraly. Etsy amin’ny Piment café Behoririka indray no […]

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny Vovonan’ireo foko Betsileo, Antesaka, Antemoro, Antandroy, Antefasy ary Makoa (Baam) fa tsy azo ekena ny faniratsirana an-dRazanamahasoa Christine. “Mbola feno sy tanteraka ny maha renin’ny firenena azy… Aoka koa tsy hokitihina ny mpikambana Baam”, hoy izy ireo . Naneho fahavononana ny hanohy ny tolona ireo kandidà 10, araka ny […]